Tantara ao amin’ny soratra masina
Hiverina indray i Jesoa Kristy—Ny fahitana azon’i Jaona momba ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy


Fanambarana

Hiverina Indray i Jesoa Kristy

Ny fahitana azon’i Jaona momba ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy

I Jaona mijoro eo akaikin’i Jesoa Kristy.

Nahita fahitana miavaka i Jaona Apôstôly. Nahita an’i Jesoa Kristy izy, izay nampiseho zavatra maro tamin’i Jaona momba ny lasa sy ny hoavy. Nasainy nosoratan’i Jaona ireo zavatra hitany. Fantatr’i Jesoa fa niezaka nanao izay tsara vitany ireo Olomasina hanarahana Azy. Tian’i Jesoa hanana fanantenana izy ireo fa Izy dia mahery kokoa noho ny ratsy eto amin’izao tontolo izao Izy.

Apokalypsy 1:1–2, 9–11, 13–15, 19; 2–3

Ny Ray any An-danitra mitazona ny sorok’i Jesoa Kristy.

Tao amin’ny fahitana azony i Jaona dia nahita boky iray izay tsy azon’iza na iza nosokafana. Avy eo i Jaona dia nahita zanak’ondry iray izay maneho an’i Jesoa Kristy, Izy no afaka nanokatra an’ilay boky. Nianatra i Jaona fa talohan’ny nahariana ny tany dia nisafidy an’i Jesoa ho Mpamonjy antsika ny Ray any An-danitra. Izany no ampahany manan-danja indrindra ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, ary i Jesoa irery ihany no afaka nanao izany.

Apokalypsy 5

I Satana sy andiana zanaka fanahy izay mandao ny lanitra.

Nahita dragona iray izay naneho an’i Satana ihany koa i Jaona. Tsy tian’i Satana ny drafitr’ Andriamanitra. Nanomboka ady tany an-danitra Izy. Ny ankamaroan’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra dia nanana finoana an’i Jesoa Kristy ary nisafidy ny hanaraka Azy. Saingy nisafidy ny hanaraka an’i Satana ny sasany tamin’izy ireo. Noho ny safidin’izy ireo dia tsy maintsy nandao ny lanitra izy ireo.

Apokalypsy 12:3–11

Sary mitambatra izay mampiseho diana miaramila sy olona mila fanampiana, ary mosary.

Hitan’i Jaona fa nanohy niady tamin’i Jesoa sy ireo mpanaradia Azy teto an-tany i Satana sy ireo mpanaradia azy. Niezaka namitaka ny olona tsy hino ny filazantsaran’ny Mpamonjy izy ireo. Betsaka ny ady sy ny faharavana ary ny aretina.

Apokalypsy 6; 8–9; 12:17; 13:11–18; 17–18

Ny anjely Môrônia mitarika an’i Joseph Smith any amin’ilay takelabolamena.

Saingy nandefa anjely avy any an-danitra niaraka tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hahafahana mizara izany amin’ny olona rehetra eto an-tany.

Apokalypsy 14:6–7

Fianakaviana mandray ny fanasan’ny Tompo.

Ny olona sasany dia hino an’i Jesoa sy hitandrina ny didiny, tahaka ny nataon’izy ireo tany an-danitra. Hanampy azy ireo handresy ny ady amin’i Satana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa.

Apokalypsy 12:11; 19:8–10

I Jesoa midina avy any an-danitra, miaraka amin’ny anjely ao aoriany.

Hitan’i Jaona fa hiverina eto an-tany indray i Jesoa Kristy. Izy no ho Mpanjakan’ny tany manontolo. Tsy hanana hery intsony i Satana. Noho i Jesoa dia tsy hisy alahelo na fanaintainana intsony. Ny olona rehetra izay mino an’i Jesoa sy mitandrina ireo fanekempihavanana miaraka Aminy dia hiara-hiaina Aminy sy ny Ray any An-danitra mandrakizay.

Apokalypsy 19:11–16; 20:1–2; 21:1–7