Tantara ao amin’ny soratra masina
Manome ny fanalahidin’ny fisoronana an’ireo Apôstôliny i Jesoa—“Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”


Matio 16–17

Manome ny fanalahidin’ny fisoronana an’ireo Apôstôliny i Jesoa

“Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”

I Jesoa miresaka amin’ireo mpianany.

Indray andro dia nanontany ny mpianany i Jesoa hoe heverin’ny olona ho iza Izy. Namaly ireo mpianany fa ny sasany dia miteny hoe Izy no Jaona Mpanao Batisa. Ny hafa nihevitra Azy ho mpaminany avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay niverina.

Matio 16:13–14

I Petera mamaly an’i Jesoa.

Avy eo dia nanontanian’i Jesoa ireo mpianany hoe heverin’izy ireo ho iza Izy. Hoy i Petera, “Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona”.

Matio 16:15–16

I Jesoa miresaka amin’i Petera.

Faly i Jesoa nandre an’i Petera nilaza izany. Nilaza tamin’i Petera izy fa tsy avy amin’olon-kafa no nahafantarany hoe iza i Jesoa. Nambaran’ny Ray any An-danitra azy izany.

Matio 16:17

I Jesoa mampanantena ny hanome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’i Petera.

Hoy i Jesoa tamin’i Petera: “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”. Dia nampanantena Izy avy eo fa hanome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’i Petera, na fahefana avy amin’ Andriamanitra, mba hahafahany sy ireo Apôstôly hafa mitarika ny Fiangonany eto an-tany.

Matio 16:18–19

I Jesoa mitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ho eny an-tendrombohitra iray.

Andro vitsy taty aoriana dia nentin’i Jesoa tany an-tendrombohitra avo i Petera sy i Jakoba ary i Jaona mba hivavaka.

Matio 17:1; Lioka 9:28

I Jesoa mivavaka.

Raha nivavaka i Jesoa dia namiratra toy ny masoandro ny tarehiny. Na dia ny akanjony aza namirapiratra.

Matio 17:2; Luke 9:29

I Mosesy sy i Elia miseho.

Nisy mpaminany roa avy ao amin’ny Testamenta Taloha niseho, dia i Mosesy sy i Elia. Niresaka tamin’i Jesoa momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty izy ireo, izay hitranga tsy ho ela ao Jerosalema. Hoy i Petera tamin’i Jesoa: “Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika”.

Matio 17:3–4; Lioka 9:30–33

I Jesoa sy ireo hafa mandre ny feon’ Andriamanitra.

Raha mbola niteny i Petera dia nisy rahona mazava nanodidina azy ireo. Nandre ny feon’ Andriamanitra izy ireo nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy”. Natahotra i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka nianjera tamin’ny tany.

Matio 17:5–6

I Jesoa milaza amin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona mba tsy hatahotra.

Nikasika ireo Apôstôliny i Jesoa dia niteny hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra”. Nitraka izy ireo. Lasa i Mosesy sy i Elia. Teo amin’io tendrombohitra io dia nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nampanantenain’i Jesoa azy ireo i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Matio 17:7–9; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13