Tantara ao amin’ny soratra masina
Afaka manao ny zavatra malemy ho tonga matanjaka i Jesoa—ny lesona nataon’i Paoly avy amin’ny “tsilo”


2 Korintiana 12:7–10

Afaka manao ny zavatra malemy ho tonga matanjaka i Jesoa

Ny lesona nataon’i Paoly avy amin’ny “tsilo”

I Paoly Apôstôly mampianatra ny olona momba ny Mpamonjy.

Mpanompo lehibe an’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Paoly. Nanana fanambarana maro izy ary nampianatra ny olona momba ny Mpamonjy. Saingy nanana fanamby maro ihany koa i Paoly.

2 Korintiana 12:7

I Paoly manoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto.

Tao amin’ny taratasy iray ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, i Paoly dia nampitaha ireo fanamby amin’ny tsilo niraikitra tamin’ny hodiny. Nahatonga an’i Paoly ho tena malemy izany.

2 Korintiana 12:7

I Paoly mivavaka.

Intelo i Paoly no nivavaka ary nangataka tamin’ny Tompo mba hanaisotra ny olany. Saingy tsy nanaisotra izany ny Tompo.

2 Korintiana 12:8–9

Ny Mpamonjy mihazona ny tanan’i Paoly ary mampitraka azy.

Fa ny Tompo kosa dia nilaza tamin’i Paoly fa manana hery ampy hampatanjahana an’i Paoly Izy. Nianatra i Paoly fa indraindray ny olana iray dia mety ho zavatra tsara raha mitodika amin’ny Tompo isika ary mangataka fanampiana. Rehefa mahatsapa ho malemy isika dia afaka mahatonga antsika ho matanjaka i Jesoa Kristy, na dia tsy miala aza ireo olantsika.

2 Korintiana 12:9–10