Tantara ao amin’ny soratra masina
Ao amin’i Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra—Mampianatra momba ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly


1 Korintiana 15

Ao amin’i Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra

Mampiantra momba ny Fitsanganana amin’ny maty i Paoly

I Paoly manoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto. Tafavory manodidina ny vehivavy iray izay efa maty izy ireo.

Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Korinto dia nanana fanontaniana momba ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika. Tsy azon’izy ireo antoka raha tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa. Nilaza ny olona sasany fa tsy nisy ny fitsanganana amin’ny maty. Nahare momba izany i Paoly ary nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tao Korinto.

1 Korintiana 15:12–14

I Jesoa nitsangana tamin’ny maty miresaka amin’ireo Apôstôliny.

Nanoratra i Paoly fa ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia ampahany manan-danja amin’ny filazantsarany. “Kristy maty noho ny fahotantsika” hoy i Paoly, ary “nitsangana tamin’ny andro fahatelo.” Olona mihoatra ny 500 no nahita Azy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, anisan’izany i Paoly sy ireo Apôstôly hafa.

1 Korintiana 15:1–8

I Paoly manoratra taratasy; i Adama sy i Eva mandao ny Saha Edena; ary i Jesoa mijoro eo akaikin’ny fasana.

Nampianatra i Paoly fa raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Kristy dia halahelo sy tsy hanana fanantenana avokoa isika rehetra. Noho ny Fahalavoan’i Adama dia ho faty avokoa isika rehetra, saingy noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty koa isika rehetra!

1 Korintiana 15:17–22

Vehivavy atao batisa

Nampahatsiahy ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa natao batisa ho an’ny maty ny olona. Nahoana isika no mila manao izany raha toa ka tsy hitsangana intsony ny olona maty? Manao batisa ho an’ny maty isika satria fantatsika fa ho velona indray ny tsirairay. Izany dia manome azy ireo fahafahana handray ireo fitahian’ny Tompo.

1 Korintiana 15:29

Vehivavy iray mandohalika eo anoloan’i Jesoa.

Nanontany tena ny Olomasina sasany tao Korinto hoe hanao ahoana ny vatantsika rehefa mitsangana amin’ny maty isika. Nilaza i Paoly fa ho feno voninahitra ny vatantsika. Tsy hihaosa izany na harary na hiha-antitra. Ny olona sasany dia hanana vatana selestialy, mazava tahaka ny masoandro. Ny hafa kosa dia ho mazava tahaka ny volana, ary ny hafa ho mazava tahaka ireo kintana.

1 Korintiana 15:35, 40–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:96–98; 88:20–23