Lioka 2; Matio 2:1–15
Teraka ny Mpamonjy
Tanteraka ny fampanantenan’ Andriamanitra
Nonina tao Nazareta i Josefa sy i Maria. Ho teraka tsy ho ela i Maria. Tsy maintsy nandeha tany amin’ny tanàna niavian’izy ireo ny olona rehetra mba handoa hetra. Midika izany fa tsy maintsy nandeha tany Betlehema i Josefa sy i Maria, izay tanàna niavian’i Josefa. Tsy maintsy nandeha lalana lavitra izy ireo vao tonga any.
Lioka 2:1–5
Tsy mora tamin’i Maria ilay dia. Satria maro ireo olona tonga tao Betlehema, dia tsy afaka nahita toerana hiterahan’i Maria i Maria sy i Josefa.
Lioka 2:6–7
Nahita toerana izy ireo, izay fitehirizana biby raha ny mahazatra. Teraka tao amin’io toerana tsotra kely io i Jesoa. Tia sy nikarakara an’i Jesoa zazakely i Maria sy i Josefa. Nofonosin’izy ireo lamba Izy mba hafana sy hahazo aina tsara. Nampandrian’izy ireo izy mba hatory ao anaty fihinanam-bilona, izay fampiasaina hamahanana biby fiompy.
Lioka 2:6–7
Teo akaiky teo ireo mpiandry ondry nitandrina ny ondriny nandritra ny alina. Tampoka teo dia nisy hazavana nanelatrelatra nanodidina azy ireo, ary nisy anjely iray niseho. Natahotra ireo mpiandry ondry.
Nilaza tamin’izy ireo ilay anjely mba tsy hatahotra satria hanambara teny soa mahafaly amin’izy ireo izy! Teraka tao Betlehema ny Mpamonjy, ary hitan’izy ireo nandry teo am-pihinanam-bilona. Ary nisy njely maro be nilaza hoe: “Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany”.
Lioka 2:10–15
Nandeha faingana tany Betlehema ireo mpiandry ondry ary nahita an’i Jesoa zazakely, araka ny nolazain’ilay anjely. Nolazain’izy ireo tamin’ny olona ireo zavatra mahafinaritra hitan’izy ireo sy ren’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa zazakely niavaka i Jesoa.
Lioka 2:16–17
Nentin’i Maria sy i Josefa tany amin’ny tempoly i Jesoa zazakely mba hatolotra an’ Andriamanitra. Nihaona tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Simeona izy ireo tao. Nilaza tamin’i Simeona ny Fanahy Masina fa hihaona amin’ny Mpamonjy izy alohan’ny hahafatesany. Nitrotro ilay zazakely izy ary nilaza fa hamonjy ny zanak’ Andriamanitra rehetra i Jesoa. Talanjona tamin’ny zavatra nolazainy i Maria sy i Josefa.
Lioka 2:22–35
Nisy olona iray hafa nantsoina hoe Ana tao amin’ny tempoly. Efa maty taona maro lasa ny vadiny. Nanomboka teo dia nandany ny fotoanany rehetra nitsaoka an’ Andriamanitra tao amin’ny tempoly i Anna. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny fahafahana nihaona tamin’ny Mpamonjy. Isaky ny nihaona tamin’ny olona izay niandry ny Mpamonjy izy dia nilaza tamin’izy ireo momba an’i Jesoa.
Lioka 2:36–38
Rehefa teraka i Jesoa dia nahita kintana vaovao ireo magy tany amin’ny tany hafa. Fantatr’izy ireo fa izany dia midika fa teraka ny zaza miavaka iray, izay ho Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao. Nanomboka nanao dia lavitra izy ireo mba hamangy io zaza io sy hiankohoka eo anatrehany. Te hitondra fanomezana ho Azy izy ireo mba hanehoany ny fitiavan’izy ireo Azy.
Matio 2:1–7
Tonga tao Jerosalema ireo magy rehefa avy nandeha nandritra ny fotoana ela. Nilaza izy ireo fa mpanjaka iray vaovaon’ny Jiosy, dia ny Mpamonjy, no teraka, ary tonga hitsaoka Azy izy ireo. Nanontanian’izy ireo ny toerana ahafahany mahita ilay mpanjaka vaovao.
Matio 2:1–2
Henon’ny mpanjaka iray nantsoina hoe Heroda fa nitady mpanjaka iray vaovao ireo magy. Nanahy izy. Nilaza taminy ireo mpisorona sy mpanora-dalàna teo aminy fa ny soratra masina no nilaza fa ho teraka any Betlehema ilay mpanjaka vaovao. Nasain’i Heroda nitady tany Betlehema ireo magy, ary avy eo dia miverina miteny aminy rehefa mahita ilay mpanjaka vaovao.
Matio 2:3–8
Tonga tao Betlehema ireo magy. Nanara-dia ilay kintana izy ireo, izay nitarika azy ireo ho any amin’i Jesoa. Rehefa nahita Azy sy i Maria ary i Josefa izy ireo dia nanome fanomezana manokana telo an’i Jesoa izy ary nitsaoka Azy. Nampitandrina azy ireo Andriamanitra mba tsy hiverina any amin’i Heroda, ka dia nandeha lalan-kafa izy ireo nody.
Matio 2:9–12
Nanofy i Josefa rehefa lasa ireo magy. Tao anatin’ilay nofy dia nisy anjely iray nilaza tamin’i Josefa fa tezitra i Heroda. Nila nentin’i Josefa tany Egypta i Maria sy i Jesoa mba hiarovana azy ireo.
Matio 2:13
Niarina avy hatrany i Josefa. Nanainga nakany Egypta niaraka tamin’i Maria sy i Jesoa izy raha mbola alina.
Matio 2:14
Nijanona tany Egypta i Maria sy i Josefa ary i Jesoa mandra-pitenenan’ilay anjely tamin’izy ireo fa maty i Heroda ary azo antoka ny fiverenana. Avy eo dia niverina nipetraka tao Nazareta izy ireo.
Matio 2:15, 19–23