Tantara ao amin’ny soratra masina
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Stefana—Manolotra ny ainy noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany ny mpanompo be herim-po iray


Asan’ny Apostoly 6–7

I Stefana mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Manolotra ny ainy noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany ny mpanompo be herim-po iray

Apôstôly roa miaraka amin’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa.

Nitombo haingana ny Fiangonana. Nananosarotra kokoa an’ireo Apôstôly ny fikarakarana ireo mpikambana rehetra.

Asan’ny Apostoly 6:1–2

Apôstôly iray manome tsodranon’ny fisoronana an’i Stefana.

Nanapa-kevitra ny hiantso lehilahy fito izay afaka nanampy ireo Apôstôly. Nangataka ireo mpikambana izy ireo mba hitady ireo lehilahy izay hendry sy feno ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 6:3

I Stefana manasitrana lehilahy iray.

Iray tamin’ireo olona nofidian’izy ireo i Stefana. Nanome tsodrano azy ireo Apôstôly. Be finoana i Stefana ary nanao fahagagana lehibe teo anivon’ny vahoaka.

Asan’ny Apostoly 6:5–8

I Stefana miresaka amin’ny mpisorona avo sy ireo mpitarika hafa.

Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy tamim-pahendrena sy tamin’ny Fanahy i Stefana. Saingy tsy tia ny zavatra nampianariny ireo mpitarika tao amin’ny synagoga iray. Nilaza izy ireo fa ny zavatra nolazainy dia nanohitra an’i Mosesy sy Andriamanitra. Nentin’izy ireo teo anatrehan’ny mpisorona avo sy ireo mpitarika hafa i Stefana.

Asan’ny Apostoly 6:9–15; 7:1

I Stefana mampianatra ireo mpitarika momba an’i Jesoa.

Nitovy tamin’ny tarehin’anjely ny tarehin’i Stefana. Nampahatsiahiviny ireo mpitarika fa nandefa an’i Mosesy Andriamanitra mba hamonjy ny Isiraelita, saingy tsy nanaraka an’i Mosesy foana izy ireo. Nilaza i Stefana fa tahaka an’i Jesoa Kristy i Mosesy. Nandefa an’i Jesoa Andriamanitra mba hamonjy ny olony, saingy tsy nanaraka Azy ireo mpitarika. Tezitra tamin’i Stefana ireo mpitarika.

Asan’ny Apostoly 7:20–43, 51–54

I Stefana mahita amin’ny fahitana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Heniky ny Fanahy Masina i Stefana ka nijery ny lanitra. Nahita an’i Jesoa Kristy nijoro teo akaikin’ny Ray any An-danitra izy.

Asan’ny Apôstôly 7:55–56

Ireo mpitarika misambotra an’i Stefana.

Rehefa nilaza tamin’ireo mpitarika ny zavatra hitany i Stefana dia vao mainka tezitra izy ireo. Nihiaka am-pahatezerana izy ireo ary nisambotra an’i Stefana. Notaritaritin’izy ireo hivoaka ivelan’ny tanàna izy.

Asan’ny Apostoly 7:57

I Saoly mijery ny fahafatesan’i Stefana.

Napetrak’izy ireo teo an-tongotry ny lehilahy iray nantsoina hoe Saoly ny fitafiany. Avy eo dia notorahan’izy ireo i Stefana mba hamonoana azy ho faty. Niray hevitra tamin’ny zavatra nataon’izy ireo i Saoly. Nivavaka i Stefana. Nangataka tamin’ny Tompo izy mba hamela heloka ireo olona izay nandratra azy. Nangataka tamin’ny Tompo ihany koa izy mba handray ny fanahiny any an-danitra.

Asan’ny Apostoly 7:59–60; 8:1