Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fanoharana momba ireo Virijiny Folo—Vonona amin’ny fiavian’i Jesoa indray


Matio 25:1–13

Fanoharana momba ireo Virijiny Folo

Vonona amin’ny fiavian’i Jesoa indray

Ireo mpianatr’i Jesoa manontany hoe rahoviana Izy no hiverina.

Fantatr’ireo mpianatr’i Jesoa fa indray andro any, rehefa tafaverina any amin’ny Rainy Izy dia hiverina eto an-tany. Nanontanian’izy ireo Azy ny fomba hahafantaran’izy ireo ny fotoana hiverenany. Naniry izy ireo ny ho vonona ho Azy. Mba hamaliana azy ireo dia nilaza fanoharana iray i Jesoa.

Matio 24:3.

Vehivavy folo handeha hamonjy fampakaram-bady.

Tao amin’ilay fanoharana dia nisy vehivavy folo handeha hamonjy fampakaram-bady. Alina ny fampakaram-bady, noho izany dia tsy maintsy nitondra fanala feno solika ireo vehivavy mba hanazavana ny lalany. Hendry ny dimy tamin’ireo vehivavy ary nitondra solika betsaka. Adala ireo dimy hafa ary tsy nitondra solika ampy.

Matio 25:1–4

Resin-tory ireo vehivavy rehefa niandry an’ ilay mpampakatra.

Tsy maintsy niandry ilay mpampakatra sy ny fety fampakaram-badiny ireo vehivavy. Saingy elabe ilay mpampakatra. Rehefa niandry izy ireo dia resin-tory avokoa.

Matio 25:5.

Olona iray milaza fa tonga ihany ilay mpampakatra.

Rehefa nisasaka ny alina dia nisy olona iray nihiaka hoe tonga ihany ny mpampakatra! Fotoana ho an’ireo vehivavy izany hiarahana aminy amin’ilay fetiny fampakaram-bady.

Matio 25:6.

Vehivavy dimy no afaka nandrehitra ny fanilon’izy ireo. Tsy manana solika ny vehivavy dimy hafa.

Nihazona ny fanalany avokoa ireo vehivavy rehetra mba hanazava ny lalany. Saingy ireo vehivavy dimy izay tsy nitondra solika ampy dia tsy nanana hazavana. Efa nampiasaina ny solik’izy ireo rehefa niandry ilay mpampakatra izy ireo.

(Matio 25:7–8).

Ireo vehivavy tsy manana solika mandeha mividy solika fanampiny.

Niangavy ny hafa ireo vehivavy dimy tsy nisy solika mba hizara ny azy ireo. Saingy tsy ampy ho zaraina ny solika tamin’izany. Nandeha malaky nividy misimisy kokoa ireo vehivavy dimy tsy nisy solika.

Matio 25:8–9

Tonga ilay mpampakatra ary miresaka amin’ireo vehivavy dimy izay vonona.

Rehefa lasa izy ireo dia tonga ilay mpampakatra! Niara-nandeha taminy tany amin’ilay fampakaram-bady ireo vehivavy dimy izay efa vonona.

Matio 25:10.

Tsy afaka miditra ao amin’ilay fampakaram-bady ireo vehivavy izay nandeha nividy solika.

Rehefa tafaverina ireo vehivavy hafa dia nikatona ny varavarana. Nandondona varavarana izy ireo ary nangataka tamin’ilay mpampakatra mba hamela azy ireo hiditra. Saingy efa tara loatra izany. Tsy afaka niditra tao amin’ilay fampakaram-bady izy ireo.

Matio 25:11–12

I Jesoa mampianatra ireo mpanara-dia Azy mba ho vonona rehefa miverina Izy.

I Jesoa dia tahaka ilay mpampakatra ao amin’ilay fanoharana. Tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hiverenany indray. Ny Ray any an-danitra no hany mahafantatra izany. Noho izany dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia Azy i Jesoa mba ho vonona tahaka ireo vehivavy dimy izay nanana solika ampy. Ireo olona izay mankatò ny didin’ny Tompo sy manaraka ny Fanahy dia ho vonona rehefa hiverina indray i Jesoa Kristy.

Matio 24:36; 25:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57