Marka 2:1–12
I Jesoa manasitrana lehilahy iray izay tsy afaka mandeha
Fanasitranana ara-batana sy ara-panahy
Maro ireo olona te hihaino an’i Jesoa mampianatra. Indray andro Izy dia nampianatra tao amina trano feno olona.
Marka 2:1–2
Ary nisy olona efa-dahy nanatona ny trano nilanja namana iray izay tsy afaka nandeha. Tsy maintsy nentin’izy ireo tamin’ny fandriana izy. Naniry ny hitondra ilay namany ho any amin’i Jesoa izy ireo, saingy feno olona loatra ilay trano ka tsy afaka niditra izy ireo.
Marka 2:3–4
Noho izany dia nentin’izy ireo teny amin’ny tafon-trano ilay namany. Nesorin’izy ireo ny ampahany tamin’ilay tafo ary nampidinin’izy ireo tao an-trano ilay namany mbamin’ny fandriany, teo afovoan’ny vahoaka, teo anoloan’i Jesoa.
Marka 2:4
Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ilay lehilahy tsy afa-mandeha hoe: “Anaka, voavela ny helokao”.
Marka 2:5
Tezitra ny mpitarika sasany tao amin’ny Jiosy rehefa nandre izany. Nieritreritra izy ireo fa Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka.
Marka 2:6–7
Fantatr’i jesoa ny zavatra noeritreretin’izy ireo. Nanao fahagagana Izy mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa nanana fahefana hamela heloka. Nilaza tamin’ilay lehilahy izay tsy afa-nandeha izy hoe: “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao”. Dia nitsangana ilay lehilahy ary nandeha! Dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra.
Marka 2:8–12