Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa, ilay vehivavy, ary ilay fantsakana—Fampianarana momba ny rano velona


Jaona 4

I Jesoa, ilay vehivavy, ary ilay fantsakana

Fampianarana momba ny rano velona

I Jesoa mijanona eo amin’ny fantsakana mba haka rano.

Nandeha namakivaky an’i Samaria i Jesoa sy ireo mpianany raha teny an-dalana ho any Galilia . Nijanona mba haka rano teo amin’ny fantsakana iray izy ireo. Nandeha nividy sakafo ireo mpianany, raha i Jesoa kosa nijanona teo.

Jaona 4:3–8

I Jesoa mangataka rano hosotroina amina vehivavy iray eo amin’ny fantsakana.

Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo amin’ilay fantsakana mba hameno ny sininy. Nangataka rano hosotroina taminy i Jesoa. Gaga ilay vehivavy. I Jesoa dia Jiosy, ary saika ny olona Jiosy rehetra no tsy niresaka tamin’ny Samaritana.

Jaona 4:7–9

I Jesoa mampianatra ilay vehivavy momba ny filazantsara.

Nilaza taminy i Jesoa fa ireo olona izay misotro rano avy amin’ilay fantsakana dia mbola hangetaheta indray. Saingy Izy dia afaka manome azy ilay “rano velona” ho fiainana mandrakizay, ary tsy hangetaheta mandrakizay izy. Nilaza ilay vehivavy fa te hisotro amin’io “rano velona” io izy.

Jaona 4:10–14

I Jesoa miteny amin’ilay vehivavy mba hiantso ny vadiny.

Nasain’i Jesoa niantso ny vadiny izy. “Tsy manam-bady aho”, hoy izy. Nilaza i Jesoa fa efa nanam-bady indimy izy, ary tsy vadiny ilay lehilahy nitoerany tamin’izany.

Jaona 4:16–18

I Jesoa milaza amin’ilay vehivavy fa Izy no Mpamonjy.

Gaga ilay vehivavy fa fantatr’i Jesoa ireo zavatra momba azy ireo. Fantatro fa avy ny Mesia, hoy izy. Nilaza taminy i Jesoa fa Izy no ilay Mesia.

Jaona 4:19, 25–26

I Jesoa mampianatra olona maro kokoa eo amin’ny fantsakana.

Navelan’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana ny sininy ary nandeha tany an-tanàna izy. Nilaza tamin’ny olona maro izy fa nahita ny Mpamonjy. Nasainy izy ireo mba ho avy sy hihaino Azy mampianatra. Noho io vehivavy io dia samaritana maro no nino an’i Jesoa Kristy.

Jaona 4:28–29, 39–42