Tantara ao amin’ny soratra masina
Nandeha tany Jerosalema i Jesoa—Mandray ny Mpamonjy azy ireo ny vahoaka


Matio 21:1–16

Nandeha tany Jerosalema i Jesoa

Mandray ny Mpamonjy azy ireo ny vahoaka

Ireo olona miandry ny hihaona amin’i Jesoa eo ivelan’i Jerosalema.

Efa ho tonga tsy ho ela ny Paska, fety iray manan-danja amin’ny Jiosy. Olona maro no nankany Jerosalema mba hamonjy ny Paska. Nandeha tany koa i Jesoa sy ireo mpianany. Rehefa nahare ny olona fa ho avy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy ireo.

Matio 21:1; Jaona 12:12–13

I Jesoa sy ireo mpianany manatona an’i Jerosalema.

Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa sy ireo mpianany dia nangataka azy ireo Izy mba hitondra boriky iray ho eo Aminy. Taona maro talohan’izay dia nilaza ny mpaminany iray fa ho avy amim-panetren-tena ny Mpamonjy, hitaingina boriky tanora.

Matio 21:1–7; jereo ihany koa ny Zakaria 9:9

I Jesoa miditra ao Jerosalema.

Niditra ny tanàna nitaingina an’ilay boriky i Jesoa. Faly be tokoa ny vahoaka nahita Azy. Noraisin’izy ireo toy ny mpanjaka Izy. Nasian’izy ireo sampan-drofia sy akanjo teo amin’ny tany mba handehanan’ilay boriky. Nisaotra an’ Andriamanitra izy ireo ary nihiaka hoe: “Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”.

Matio 21:8–9; Lioka 19:36–38; Jaona 12:13

Ireo vahoaka mijery an’i Jesoa.

Maro ireo olona tao Jerosalema no nanontany tena hoe misy inona. “Iza moa izao?” hoy izy ireo nanontany. Ny sasany namaly fa i Jesoa avy any Nazareta io.

Matio 21:10–11

I Jesoa mahita olona manakalo vola ao amin’ny tempoly.

Avy eo dia nandeha tany amin’ny tempoly i Jesoa. Nanakalo vola ny olona sasany tao ary nivarotra mba hatao sorona. Fantatr’i Jesoa fa tsy marin-toetra izy ireo.

Matio 21:12

I Jesoa milaza amin’ireo olona izay manakalo vola mba hiala ny tempoly.

Tsy tian’i Jesoa izy ireo maka vola avy amin’ireo olona izay te hitsaoka any amin’ny tempoly. Noroahiny hiala tao amin’ny tempoly izy ireo ary nazerany ny latabany. Hoy Izy: “Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy”.

Matio 21:12–13; jereo koa Isaiah 56:7; Jeremiah 7:11

I Jesoa manasitrana olona ao amin’ny tempoly.

Nanatona an’i Jesoa tao amin’ny tempoly ny olona jamba na tsy afaka nandeha, dia nositraniny izy ireo. Niantsoantso hoe “Hosana” ny ankizy nidera an’i Jesoa ary nilaza fa Izy no Mpamonjy.

Matio 21:14–15

I Jesoa miresaka amin’ireo mpisorona sy mpanora-dalàna.

Tezitra ny sasany tamin’ireo mpisorona sy mpanora-dalàna rehefa nahita ny zavatra nataon’i Jesoa sy nahare ny zavatra nolazain’ireo ankizy. Nampahatsiahivin’i Jesoa azy ireo ny soratra masina iray izay milaza fa hanao fiderana tonga lafatra avy amin’ny vavan’ny ankizy Andriamanitra.

Matio 21:15–16; jereo koa ny Salamo 8:2