Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa mamela heloka vehivavy iray—“Fa be fitiavana izy”


Lioka 7:36–50

I Jesoa mamela Heloka vehivavy iray

“Fa be fitiavana izy”

I Simona manasa an’i Jesoa ho ao an-tranony.

Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona nanasa an’i Jesoa ho ao an-tranony ary hiara-hisakafo aminy. Iray tamin’ireo andiana mpitarika nantsoina hoe Fariseo i Simona.

Lioka 7:36

Vehivavy iray tonga mba hizaha an’i Jesoa.

Nisy vehivavy iray tonga tao an-tranon’i Simona rehefa nisakafo izy ireo. Henony fa tao i Jesoa. Te haneho ny fankasitrahany sy ny fitiavany Azy izy.

Lioka 7:37

Ilay vehivavy manasa ny tongotr’i Jesoa.

Nitomany ilay vehivavy rehefa nahita an’i Jesoa. Nahakotsa ny tongony ny ranomasony. Avy eo dia nanamaina ny tongony tamin’ny volon-dohany izy. Nanoroka ny tongony izy ary nanosotra menaka manitra taminy.

Lioka 7:38

Tezitra i Simona fa miresaka amin’i Jesoa ilay vehivavy.

Fantatr’i Simona fa nahavita fahotana maro io vehivavy io. Nieritreritra izy fa raha tena lehilahin’ Andriamanitra i Jesoa dia ho fantany fa mpanota io vehivavy io, ary tsy hamela azy hikasika Azy akory Izy.

Lioka 7:39

I Jesoa manazava ny antony nanasan’ilay vehivavy ny tongony.

Fantatr’i Jesoa ny zavatra noeritreretin’i Simona. Nilaza tamin’i Simona izy fa nanasa ny tongony ilay vehivavy satria tia Azy izy. Raha ny tokony ho izy dia nomena rano ireo vahiny mba hanasana ny tongotr’izy ireo. Tsy nanao zavatra toy izany anefa i Simona mba hanehoana fitiavana an’i Jesoa.

Lioka 7:40–47

I Jesoa miteny amin’ilay vehivavy hoe: mandehana soa aman-tsara.

Nilaza tamin’ilay vehivavy i Jesoa fa voavela ny helony, satria tia Azy izy sady nanam-pinoana Azy. Nilaza taminy Izy hoe: afaka mandeha am-piadanana izy.

Lioka 7:47–50