Matio 12:1–12; Lioka 13:10–17
I Jesoa manasitrana vehivavy iray amin’ny Sabata
Manao soa amin’ny androny masina
Nandeha namakivaky saham-barimbazaha i Jesoa sy ireo mpianany tamin’ny andro Sabata. Noana izy ireo ka dia nanoty salohim-bary ary nihinana izany. Nahita azy ireo ny mpitarika Jiosy sasany izay nantsoina hoe Fariseo. Nanao fitsipika maro momba ny andro Sabata ireo Fariseo. Ny fiotazana salohim-bary dia mifanohitra amin’ireo fitsipiny.
Matio 12:1–2
Nanontany an’i Jesoa ireo Fariseo hoe nahoana ireo mpianany no tsy nanaja ny Sabata. Namaly i Jesoa fa tsy nanao zavatra ratsy mihitsy izy ireo. Nomen’ Andriamanitra antsika ny andro Sabata mba hitahiana antsika fa tsy vao mainka hanasarotana ny fiainantsika.
Matio 12:2–8; Marka 2:27
Taty aoriana dia nampianatra tao amin’ny synagoga i Jesoa tamin’ny andro Sabata. Nahatsikaritra vehivavy iray i Jesoa tao. Nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. Nanana izany olana izany izy nandritra ny 18 taona.
Lioka 13:10–12
Nanasa ilay vehivavy hanatona Azy i Jesoa. Nametraka ny tanany taminy Izy mba hitsodrano azy.
Lioka 13:12–13
Niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy. Tezitra ilay mpitarika ny synagoga satria nanasitrana tamin’ny Sabata i Jesoa.
Lioka 13:13–14
Nilaza i Jesoa fa ny fanampiana io vehivavy io dia zavatra tsara izay tokony hatao. Tsara ny manao soa amin’ny Sabata. Nangaihay ilay mpitarika, fa ny olona tao amin’ny synagoga dia nifaly satria sitrana ilay vehivavy.
Lioka 13:15–17; jereo ihany koa ny Lioka 6:9