Marka 8:22–25
Mampahiratra lehilahy jamba iray i Jesoa
Fahasitranana izay mitranga miandalana
Tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Betsaida dia nitondra lehilahy jamba iray teo amin’i Jesoa ny olona. Tian’izy ireo hitsodrano azy i Jesoa mba hahafahany mahita.
Marka 8:22
Nohazonin’i Jesoa ny tanan’ilay lehilahy ary notarihiny hivoaka ny tanàna izy. Dia nametraka ny tanany teo amin’ilay lehilahy i Jesoa ka nitsodrano azy.
Marka 8:23
Nanontanian’i Jesoa ilay lehilahy raha toa ka afaka mahita zavatra izy. Nitraka ilay lehilahy. Nilaza izy fa afaka mahita kely, saingy tsy dia mazava loatra. Nilaza izy fa toy ny hazo mandehandeha ny olona.
Marka 8:23–24
Nitsodrano ilay lehilahy indray i Jesoa. Tamin’ity indray mitoraka ity, rehefa nitraka izy dia nazava ny zava-drehetra. Nositranin’i Jesoa izy!
Marka 8:25