Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa Zazalahy kely—Mianatra sy mitombo


Lioka 2:39–52

I Jesoa Zazalahy kely

Mianatra sy mitombo

I Jesoa ao an-trano miaraka amin’ny fianakaviany.

Lehibe tao an-tanànan’i Nazareta niaraka tamin’i Maria sy i Josefa i Jesoa. Rehefa nandeha ny fotoana dia nianatra kokoa hatrany momba ny Ray any An-danitra Izy. Niomana tamin’ny asa izay tian’ny Ray any An-danitra hampanaovina Azy Izy.

Lioka 2:39–40; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–14

I Jesoa sy ny fianakaviany mandeha mankany Jerosalema mba hankalaza ny Paska.

Rehefa feno 12 taona i Jesoa dia nandeha tany Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviana sy namana Izy mba hankalaza ny Paska. Nijanona tany izy ireo nandritra ny andro maromaro.

Lioka 2:41–43

I Maria sy i Josefa mahatsikaritra fa tsy miaraka amin’izy ireo i Jesoa.

Rehefa teny an-dalana hody dia tsikaritr’i Josefa sy i Maria fa tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesoa. Niverina tany Jerosalema izy ireo mba hitady Azy. Tena nitebiteby izy ireo.

Lioka 2:44–46

I Jesoa mampianatra ao amin’ny tempoly.

Rehefa avy nikaroka nandritra ny telo andro i Maria sy i Josefa dia nahita an’i Jesoa nony farany. Tao amin’ny tempoly izy, niresaka tamina mpampianatra vitsivitsy momba ny soratra masina. Nanontany Azy ireo mpampianatra. Talanjona izy ireo tamin’ny halehiben’ny fahalalana sy fahatakaran’i Jesoa!

Lioka 2:46–47; jereo ihany koa ny Dikatenin’i Josseph Smith eo amin’ny fanamarihana ambanin’ny pejy 46c

I Maria sy i Josefa miresaka amin’i Jesoa ao amin’ny tempoly.

Nolazain’i Maria an’i Jesoa ny tebitebin’izy ireo rehefa tsy nahita Azy izy ireo. Niteny i Jesoa fa nanao ny Asan’ny Rainy Izy. Dia niverina tany Nazareta niaraka tamin’ny fianakaviany i Jesoa. Nankatò an’i Maria sy i Josefa Izy.

Lioka 2:48–52

I Jesoa ao an-trano miaraka amin’ny fianakaviany.

Nanohy nianatra hatrany i Jesoa. Nihalehibe sy nihanatanjaka kokoa izy. Tia Azy ny Ray any An-danitra ary nanampy Azy hiomana amin’ny asa nanirahana Azy. Tia ny olona nanodidina Azy i Jesoa, ary tia Azy izy ireo.

Lioka 2:52