Matio 26:36–46Lioka 22:39–46
I Jesoa tao Getsemane
Fijaliana noho ny fahotan’izao tontolo izao
Nandeha tany amin’ny saha iray antsoina hoe Getsemane i Jesoa sy ireo Apôstôliny. Nangataka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa mba hanaraka Azy ary niteny tamin’ny hafa Izy mba hiandry.
Matio 26:36–37; Jaona 18:1
Nilaza tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa fa nahatsapa ho tena nalahelo Izy. Nangataka azy ireo izy mba hiara-hiambina Aminy raha nivavaka Izy.
Matio 26:38
Nandeha lavitra kely kokoa tao amin’ilay saha i Jesoa. Nanomboka nijaly noho ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika mibebaka sy ho voavela heloka. Nahatsapa ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny alahelontsika rehetra ihany koa i Jesoa mba hahafantarany ny fomba hanampiana antsika. Nanao izany Izy satria tiany isika. Tafiditra tao anatin’ny drafitry ny Ray any an-danitra avokoa izany rehetra izany.
Matio 26:39; Lioka 22:41; Romana 3:23; Almà 7:11–13; 3 Nefia 27:19
Nanaintaina izaitsizy ny fijaliana niainan’i Jesoa ka nahatonga azy nangataka tamin’ny Ray any An-danitra raha toa ka azony atao ny manaisotra ilay fijaliana. Vonona ny hanao izay tian’ny Ray any an-danitra hataony Izy. Hoy izy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no atao, fa ny anao”.
Lioka 22:42
Nanatona an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa ary tsikariny fa sondrian-tory izy ireo. Nofohaziny izy ireo ary nangataka azy ireo indray Izy mba hiambina sy hivavaka. Saingy fantany fa na dia te hiambina aza izy ireo dia efa tena reraka.
Matio 26:40–41
Nivavaka indray i Jesoa. Nisy anjely iray tonga nampahery Azy. Nahatsapa fanaintainana lehibe Izy ka nivavaka mafy kokoa. Ny hatsembohany dia rà nipotrapotraka tamin’ny tany.
Matio 26:42; Lioka 22:43–44; Môzià 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19
Indroa i Jesoa no nandeha tany amin’i Petera sy i Jakoba ka nahita azy ireo sondrian-tory. Nony farany dia nofohaziny izy ireo satria tonga ilay fotoana hisamborana Azy.
Matio 26:43–46