Asan’ny Apostoly 1–5
Mitarika ny Fiangonany ireo Apôstôlin’i Jesoa
Mampianatra, manao batisa, manasitrana ary mizara ny zava-drehetra
Taorian’ny niverenan’i Jesoa tany amin’ny Rainy any An-danitra dia ireo Apôstôly no nitarika ny Fiangonana. Nampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy izy ireo, nanasa ny olona hiditra ho mpikamban’ny Fiangonany, ary nanao fahagagana maro tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Nampanantena i Jesoa fa hanampy azy ireo amin’ny alalan’ny fandefasana ny Fanahy Masina.
Asan’ny Apostoly 1:8–13; 2:41–47
Satria maty i Jodasy dia iraika ambin’ny folo sisa ny isan’ireo Apôstôly. Nivavaka ireo Apôstôly mba hahafantarana hoe iza no tian’ Andriamanitra hanolo an’i Jodasy ka ho vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy. Nisafidy lehilahy iray antsoina hoe Matia Andriamanitra. Lasa iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo izy.
Asan’ny Apostoly 1:15–26
Nandritra ny andro fankalazana iray ho an’ny Jiosy dia tafiaraka tao Jerosalema ireo mpianatra. Tampoka teo, dia toa nisy rivotra avy any an-danitra nameno ilay trano. Nahita hazavana toy ny afo nitoetra teo amin’izy ireo izy ireo, ary heniky ny Fanahy Masina avokoa izy rehetra. Noho ny Fanahy Masina dia afaka niteny tamin’ny fiteny hafa izy ireo.
Asan’ny Apostoly 2:1–4
Rehefa nandre momba izany ny olona tao Jerosalema dia nisy vahoaka marobe nivory. Na dia avy amin’ny firenena maro aza ireo olona teo anivon’ireo vahoaka marobe ary niteny fiteny samihafa, dia samy nandre ny zavatra nolazain’ireo Apôstôly tamin’ny fiteniny avy izy ireo. Talanjona izaitsizy ny vahoaka!
Asan’ny Apostoly 2:5–13
Nitsangana i Petera ary niresaka tamin’ilay vahoaka marobe. Nitantara mombamomba an’i Jesoa Kristy izy. Nijoro ho vavolombelona izy fa i Jesoa no Mpamonjy ary efa nitsangana tamin’ny maty.
Asan’ny Apostoly 2:14–36
Rehefa nandre izany ny vahoaka dia nahatsapa izy ireo fa mila miova. Nanontanian’izy ireo ireo Apôstôly ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo.
Asan’ny Apostoly 2:37
Hoy i Petera: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary hianareo handray ny fanomezana ny Fanahy Masina”. Olona teo ho eo amin’ny 3.000 teo no natao batisa ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’io andro io.
Asan’ny Apostoly 2:38–43
Taty aoriana dia nandeha tany amin’ny tempoly i Petera sy i Jaona. Nahita lehilahy iray izay tsy afa-namindra izy ireo. Nipetraka teo izy isan’andro, nangata-bola tamin’ny olona.
Asan’ny Apostoly 3:1–2
Nangataka vola tamin’i Petera sy i Jaona izy. Niato izy ireo ka nijery azy tsara. Hoy i Petera: “Mijere anay”.
Asan’ny Apostoly 3:3–4
Nilaza i Petera fa tsy nanana volafotsy na volamena izy ireo. Kanefa nanana zavatra tsara kokoa noho izany izy ireo. “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta”, hoy izy, “mitsangantsangàna”. Nampian’i Petera izy mba hitsangana. Sambany teo amin’ny fiainany ilay lehilahy no afa-namindra! Tena faly izy ka nitsambikina ary niditra tao amin’ny tempoly niaraka tamin’i Petera sy i Jaona.
Asan’ny Apostoly 3:6–8
Talanjona izaitsizy ny vahoaka. Nilaza tamin’izy ireo i Petera fa tsy ny heriny na ny herin’i Jaona no nahasitrana ilay lehilahy. Sitrana tamin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny finoana Azy izy. Nasain’i Petera nibebaka sy nino an’i Jesoa izy ireo.
Asan’ny Apostoly 3:9–26
Nisy mpitarika Jiosy sasany izay tsy tia ny zavatra nampianarin’i Petera sy i Jaona. Nilaza izy ireo fa tsy misy na iza na iza afaka mampianatra momba an’i Jesoa.
Asan’ny Apostoly 4:1–18
Nilaza i Petera sy i Jaona fa hankatò an’ Andriamanitra izy ireo, ary tian’ Andriamanitra hilaza amin’ny olona ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.
Asan’ny Apostoly 4:19–20
Nanohy nampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin-kery lehibe ireo Apôstôly. Niha-nitombo ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonany. Heniky ny Fanahy Masina izy ireo. Nifankatia izy ireo ary nifampizara ny zava-drehetra. Namidin’izy ireo ny fananany ary nomeny an’ireo Apôstôly ny vola mba homen’izy ireo ny mahantra.
Asan’ny Apostoly 4:31–37