Lioka 4:16–31
I Jesoa mijoro ho vavolombelona momba ny asa nanirahana Azy
Nolavina tao Nazareta
Nandeha tany Nazareta i Jesoa, izay toerana nipetrahan’ny fianakaviany sy ny namany. Izany no toerana nahabe Azy. Tamin’ny andro Sabata dia nandeha tany amin’ny synagoga Izy, izay toerana nandehanan’ny olona handalinana ny soratra masina sy hitsaohana an’ Andriamanitra.
Lioka 4:16–17
Nijoro sy namaky soratra masina avy tao amin’ny bokin’i mpaminany Isaia i Jesoa tao amin’ny synagoga. Nilaza ilay soratra masina fa indray andro any dia hisy Mpamonjy ho avy. Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy ary hahasitrana ny torotoro fo. Hanampy ny jamba sy ireo izay nampahoriana Izy.
Isaia 61:1–2; Lioka 4:17–19
Nofaranan’i Jesoa ny famakiana dia nipetraka Izy. Ary nijery Azy ny olona rehetra. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tamin’io andro io no efa tanteraka izany soratra masina novakiany izany. Izy no Mpamonjy.
Lioka 4:21
Talanjona tamin’ny zavatra nolazain’i Jesoa ny vahoakan’i Nazareta. Ahoana no haha-Mpamonjy an’i Jesoa? Nihevitra izy ireo fa zanakalahin’i Maria sy i Josefa fotsiny ihany Izy, fa tsy zanak’ Andriamanitra. Ho azy ireo dia toa olona tsotra ihany Izy.
Lioka 4:22
Fantatr’i Jesoa fa tian’ny olona ny hanaovany fahagagana mba hanaporofoana fa Izy no Mpamonjy. Nampianatra Izy fa ny fahagagana dia natao ho an’ny olona izay mino, ary indraindray Andriamanitra dia nanao fahagagana ho an’ireo izay tsy avy amin’i Isiraely satria nanam-pinoana kokoa izy ireo. Tezitra tamin’i Jesoa ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ny synagoga.
Lioka 4:23–28
Nanery Azy hiala ny tanàna izy ireo ka hiakatra eny an-tampon’ny havoana iray. Nitady ny hanazera azy any amin’ny hantsana izy ireo.
Lioka 4:28–29
Saingy niala ireo olona tezitra ireo i Jesoa.
Lioka 4:30
Nandeha tany amin’ny tanàna hafa i Jesoa mba hampianatra satria tsy tian’izy ireo ho ao Nazareta Izy.
Lioka 4:31–32