Lioka 24:1–12, 36–49; Jaona 20
Nitsangana tamin’ny maty Izy
Nandresy ny fahafatesana ho an’ny rehetra i Jesoa Kristy
Napetrak’ireo mpianatr’i Jesoa tao am-pasana ny vatany. Naniry ny hanao zavatra bebe kokoa izy ireo mba hikarakarana ny vatany, saingy efa antomotra ny Sabata. Nikasa ny hiverina izy ireo taorian’ny Sabata mba hamitana izany.
Lioka 23:52–56
Vao maraina tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia nandeha tany amin’ny fasana i Maria Magdalena sy ireo hafa.
Lioka 24:1; Jaona 20:1
Rehefa tonga izy ireo dia hitan’izy ireo fa nikodiadia ilay vato nandrakotra ilay fasana. Niditra tao am-pasana izy ireo, ary tsy tao ny vatan’i Jesoa.
Lioka 24:2–3; Jaona 20:1
Nihazakazaka niteny tamin’i Petera sy i Jaona i Maria fa nisy olona naka ny vatan’i Jesoa. Nihazakazaka nankany amin’ny fasana i Petera sy i Jaona.
Jaona 20:2–4
Rehefa tonga tao amin’ilay fasana izy ireo dia niditra tao i Petera sy i Jaona. Hitan’izy ireo fa tsy tao ny vatan’i Jesoa. Mbola tao ihany ilay lamba izay namonosana Azy.
Jaona 20:5–7
Nody i Petera sy i Jaona, saingy nijanona teo am-pasana i Maria, sady nitomany. Nijery tao am-pasana izy ary nahita anjely roa. Nanontanian’izy ireo azy ny antony nitomaniany. Nilaza izy fa nisy olona naka ny vatan’i Jesoa, ary tsy fantany hoe aiza izany.
Jaona 20:11–13
Dia tonga i Jesoa, saingy tsy fantatr’i Maria fa Izy izany. Nanontany azy i Jesoa hoe: “Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany?” Nihevitra i Maria fa Izy no mpiandry ny saha. Nanontaniany Izy raha fantany hoe aiza no misy ny vatan’i Jesoa.
Jaona 20:14–15
Hoy i Jesoa hoe: “Ry Maria.” Nitodika izy. Fantany tamin’izay fa i Jesoa izany! Hoy izy taminy: “Mpampianatra o.” Nangataka azy i Jesoa mba hilaza amin’ireo mpianatra hafa fa mila mandeha any amin’ny Rainy any An-danitra Izy. Nahita ireo mpianatra hafa i Maria ary nilaza tamin’izy ireo fa nahita an’i Jesoa izy ary velona indray Izy!
Jaona 20:16–18
Tamin’io hariva io dia maro tamin’ireo Apôstôly no niara-nivory. Nohidin’izy ireo ny varavarana fa natahotra izy ireo sao mety hitady azy ireo ny mpitarika ny Jiosy. Tampoka teo dia nahita an’i Jesoa nijoro teo anivony izy ireo. Natahotra izy ireo tamin’ny voalohany. Nihevitra izy ireo fa fanahy Izy. Hoy i Jesoa hoe: “Fiadanana ho anareo.”
Lioka 24:33–38; Jaona 20:19
Nanasa ireo Apôstôly hikasika ny tanany sy ny tongony i Jesoa. Tiany ho fantatr’izy ireo fa nanana vatana Izy fa tsy fanahy fotsiny. Nihinana hazandrano sy tantely niaraka tamin’izy ireo mihitsy aza Izy. Faly aok’izany ireo mpianatra nahita azy!
Lioka 24:39–44; Jaona 20:20
Avy eo i Jesoa dia nanampy ireo Apôstôliny hahatakatra ny soratra masina izay nampianatra momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tiany hampianatra ny olona rehetra izy ireo fa noho Izy dia afaka mibebaka sy ho voavela heloka izy ireo. Ho vavolombelony ireo Apôstôly.
Lioka 24:44–48
Tsy teo ny Apôstôly Tomasy tamin’i Jesoa niseho. Nilaza izy fa tsy hino hoe velona i Jesoa raha tsy nahita ireo diam-pantsika teo an-tanany izy.
Jaona 20:24–25
Valo andro taty aoriana dia niara-tafavory ireo mpianatra. Niseho indray i Jesoa. Teo i Tomasy tamin’ity indray mitoraka ity.
Jaona 20:26
Nanasa an’i Tomasy i Jesoa hikasika ireo holatra teo amin’ny tanany sy ny lanivoany. Hoy izy tamin’i Tomasy hoe: “Aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa.” Hoy i Tomasy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro.” Ankehitriny dia nino i Tomasy fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa voatahy ny olona rehefa mino izy ireo, na dia tsy nahita Azy aza.
Jaona 20:27–29