Tantara ao amin’ny soratra masina
Paoly sy i Silasy—Avotra noho ireo fahagagana avy amin’ny Tompo


Asan’ny Apostoly 16:9–40

Paoly sy i Silasy

Avotra noho ireo fahagagana avy amin’ny Tompo

I Paoly sy Silasy miray dia.

Niantso an’i Paoly sy i Silasy ny Tompo mba hiara-hitory ny filazantsara. Nitety tanàna maro izy ireo mba hijery hoe nanao ahoana ireo fiangonana tao.

Asan’ny Apostoly 15:40–41; 16:4–8

Nahita fahitana i Paoly.

Indray alina, tao anatin’ny fahitana iray dia nahita lehilahy iray avy any Makedonia izay nangataka azy mba ho any amin’ny tanàna niaviany i Paoly. Teo no ho eo ihany i Paoly sy i Silasy dia nandeha. Fantatr’izy ireo fa fanirian’ Andriamanitra ny handehanan’izy ireo.

Asan’ny Apostoly 16:9–10

I Paoly sy i Silasy mitory amin’ny vehivavy iray antsoina hoe Lydia.

Rehefa tonga tao Makedonia izy ireo dia nisy vehivavy iray antsoina hoe Lydia naheno azy ireo nampianatra. Nanokatra ny fon’i Lydia ny Tompo. Nino ny zavatra nampianarin’i Paoly izy ary natao batisa.

Asan’ny Apostoly 16:13–15

I Lydia milaza amin’i Paoly sy i Silasy fa afaka mitoetra ao an-tranony izy ireo.

Nilaza tamin’i Paoly sy i Silasy i Lydia fa afaka mitoetra ao an-tranony izy ireo raha mbola tao amin’ilay tanàna.

Asan’ny Apostoly 16:15

I Paoly sy i Silasy entin’ny olona eny an-tsena.

Kanefa tsy ny rehetra no niray hevitra momba ny fandalovan’i Paoly sy i Silasy. Tsy tia ny zavatra nampianarin’izy ireo ny olona sasany. Nentin’izy ireo teny an-tsena i Paoly sy i Silasy ary nilaza tamin’ireo mpitondra tao amin’ilay tanàna izy fa nanakorontana izy ireo.

Asan’ny Apostoly 16:16–21

Ireo vahoaka tezitra amin’i Paoly sy i Silasy.

Tezitra tamin’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka. Norovitin’ireo mpitondra tao amin’ilay tanàna ny akanjon’i Paoly sy i Silasy ary nilaza izy fa tokony hovonoina izy ireo.

Asan’ny Apostoly 16:22–23

I Paoly sy i Silasy naiditra am-ponja.

Ary avy eo dia naiditr’ireo mpitondra ilay tanàna tany am-ponja i Paoly sy i Silasy. Nofatoran’izy ireo ny tongony ary nasian’izy ireo mpiambina niandry azy.

Asan’ny Apostoly 16:24–24

Tapaka  ny fatoran’i Paoly sy i Silasy.

Tamin’io alina io dia nivavaka sy nikalo hira fiderana ho an’ Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, raha nihaino kosa ireo voafonja hafa. Kanjo nanomboka nihovitrovitra ny tany. Nisokatra ny varavaran’ny tranomaizina ary nivaha ireo fatorana.

Asan’ny Apostoly 16:25–26

I Paoly milaza amin’ilay mpiambina mba tsy hatahotra.

Taitra ilay mpiambina ary nahita ny varavarana nisokatra. Nihevitra izy fa nitsoaka ireo voafonja ary hanana olana noho izany. Nilaza tamin’ilay mpiambina i Paoly mba tsy hanahy. Mbola tao daholo ny gadra rehetra.

Asan’ny Apostoly 16:27–28

I Paoly milaza amin’ilay mpiambina mba hino an’i Jesoa Kristy.

Natahotra ilay mpiambina. Niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy i Silasy izy ka nilaza hoe: “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?” Hoy izy ireo: “Minoa an’i Jesosy Tompo”.

Asan’ny Apostoly 16:27–31

I Paoly sy i Silasy mampianatra ny filazantsara ilay mpiambina sy ny fianakaviany.

Nampianarin’i Paoly sy i Silasy ny filazantsara ilay mpiambina sy ny fianakaviany. Nikarakara ny ratran’i Paoly sy i Silasy ilay mpiambina. Natao batisa tamin’izay alina izay izy sy ny fianakaviany.

Asan’ny Apostoly 16:32–33