Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa manangana an’i Lazarosy amin’ny maty—“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”


Jaona 11:1–46

I Jesoa manangana an’i Lazarosy amin’ny Maty

“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”

Maria sy Marta ary Lazarosy.

Nipetraka tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Betania i Maria sy i Marta ary i Lazarosy. Nino an’i Jesoa izy ireo, ary tia azy ireo Izy. Anabavin’i Lazarosy i Maria sy i Marta.

Jaona 11:1, 5

I Lazarosy marary.

Narary mafy i Lazarosy. Tany amin’ny tanàna iray hafa i Jesoa. Nandefa hafatra Taminy i Maria sy i Marta mba hampahafantarana Azy fa narary ilay namany.

Jaona 11:1–3

I Jesoa milaza fa hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty Izy.

Niandry roa andro i Jesoa. Avy eo dia nilaza tamin’ireo mpianany Izy fa ho any Betania izy ireo. Natahotra ireo mpianatra satria nisy olona naniry ny handratra an’i Jesoa teo akaikin’i Betania. Saingy te hanampy an’i Lazarosy i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa efa maty i Lazarosy ary hanangana azy amin’ny maty Izy.

Jaona 11:6–16

I Marta mihaona amin’i Jesoa.

Nihaona tamin’i Jesoa teo ivelan’ny tanàna i Marta. Nilaza izy fa raha tonga talohaloha i Jesoa dia tsy ho maty i Lazarosy. Nampanantena i Jesoa fa ho velona indray i Lazarosy.

Jaona 11:17–24

I Marta miresaka amin’i Jesoa.

Nilaza i Jesoa hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”. Nanontany an’i Marta Izy raha toa ka mino Azy izy. Hoy izy hoe: “Mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra”.

Jaona 11:25–27

I Marta sy i Maria ary i Jesoa

Niverina tao an-trano i Marta ary nilaza tamin’i Maria fa tonga i Jesoa. Tonga i Maria ary niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa, nitomany ny amin’ny anadahiny. Nitomany ihany koa i Jesoa. Tiany i Lazarosy sy i Maria ary i Marta.

Jaona 11:28–36

I Jesoa mandeha any amin’ilay lavabato nandevenana an’i Lazarosy.

Nandeha tany amin’ilay lava-bato izay nandevenana an’i Lazarosy i Jesoa, i Marta sy i Maria ary ny hafa. Nisy vato lehibe iray nandrakotra ny fidirana. Nilaza i Jesoa ny hamindrana ilay vato.

Jaona 11:38–39

I Jesoa milaza amin’i Marta mba hinoany Azy.

Saingy nilaza tamin’i Jesoa i Marta fa efa maty efatra andro i Lazarosy. Nampahatsiahivin’i Jesoa an’i Marta ny fampanantenana nataony. Nangatahiny izy mba hino.

Jaona 11:39–40

I Jesoa miteny amin’i Lazarosy mba hivoaka.

Dia nivavaka tamin-dRainy i Jesoa avy eo. Nisaotra an’ Andriamanitra izy tamin’ny fihainoany Azy mandrakariva. Tian’i Jesoa hino ny vahoaka fa naniraka Azy ho Mpamonjy Andriamanitra. Avy eo dia niantso i Jesoa hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!”

Jaona 11:41–43

I Lazarosy mivoaka ny lava-bato.

Nivoaka ny lava-bato i Lazarosy. Mbola voaofono tamin’ireo akanjo sy lamba nandevenana azy izy. Nasain’i Jesoa novahana izy. Maro tamin’ireo olona nijery tamin’izany andro izany no nino teo fa i Jesoa tokoa no Mpamonjy, ilay Zanak’ Andriamanitra.

Jaona 11:44–45