1 Korintiana 6:16–20
Mampitaha ny vatantsika amin’ny tempoly i Paoly.
Fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra
Tanàna lehibe manamorona ny ranomasina i Korinto. Be olona tsy nitsaoka an’ Andriamanitra ilay tanàna. Nampianatra ny vahoaka tao Korinto momba an’i Jesoa i Paoly. Olona maro no nino ary natao batisa.
Asan’ny Apostoly 18:8–11
Rehefa lasa i Paoly dia naheno izy fa nanana olana ny mpikamban’ny Fiangonana. Maro ireo olona tao Korinto no tsy nanaraka ny didin’ Andriamanitra mikasika ny fomba hitondrana na hampiasana ny vatantsika.
1 Korintiana 6:13–18
Nanoratra taratasy ho azy ireo i Paoly. Nilaza izy fa ny vatantsika dia tahaka ny tempolin’ Andriamanitra. Karakaraintsika amim-pitandremana ny tempoly satria tranon’ Andriamanitra izany. Tokony hajaintsika am-pitandremana ihany koa ny vatantsika satria fanomezana avy amin’ Andriamanitra izy ireo.
1 Korintiana 6:19–20
Tian’ny Ray any An-danitra hisafidy ny hanao zavatra tsara amin’ny vatantsika isika. Rehefa manao izany isika dia afaka hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika.
1 Korintiana 6:19
Nilaza i Paoly fa nanefa ny sarany ho antsika tamin’ny alalan’ny fijaliany i Jesoa Kristy. Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy tsara mikasika ny vatantsika sy ny fitandremana ireo didiny. Maneho amin’ Andriamanitra isika fa feno fankasitrahana noho ny vatantsika ilay fanomezana mahafinaritra amin’ny alalan’ny fikarakarana izany toy ny tempoly.
1 Korintiana 6:20