Tantara ao amin’ny soratra masina
Mitsodrano ny ankizy madinika i Jesoa—“An’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra”


Marka 10:13–16

Mitsodrano ny ankizy madinika i Jesoa

“An’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra”

Olona mangataka an’i Jesoa hitsodrano ny zanany.

Raha mbola nampianatra i Jesoa dia nisy olona vitsivitsy nitondra ny zanany kely teo Aminy. Tian’izy ireo hitsodrano ny zanany i Jesoa. Niezaka nanakana azy ireo ny mpianany.

Matio 19:13; Marka 10:13

I Jesoa mampianatra ny mpianany mba ho tahaka ny ankizy madinika.

Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa mba hamela ireo zaza hanatona Azy. Nilaza Izy fa an’ny ankizy madinika ny fanjakan’ Andriamanitra. Nanazava Izy fa raha misy olona te hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray dia mila miova tahaka ny ankizy madinika izy ireo.

Matio 19:14; Marka 10:14–15

I Jesoa mitsodrano ny ankizy

Avy eo dia nalain’i Jesoa teo an-tsandriny ireo ankizy madinika ary nitsodrano azy ireo Izy.

Matio 19:15; Marka 10:16