Tantara ao amin’ny soratra masina
Ireo anjely mamangy an’i Maria sy i Josefa—Voafidy hikarakara ny Zanak’ Andriamanitra


Matio 1; Lioka 1

Mamangy an’i Maria sy i Josefa ny anjely

Voafidy hikarakara ny Zanak’ Andriamanitra

I Maria sy i Josefa mifampiresaka.

Nisy vehivavy iray antsoina hoe Maria nonina tao amin’ny tanànan’i Nazareta. Tia an’ Andriamanitra izy ary nankatò ny didiny. Nikasa hanambady lehilahy iray nantsoina hoe Josefa, izay tia an’ Andriamanitra ihany koa i Maria.

Matio 1:18–19; Lioka 1:26–28

Ny anjely Gabriela namangy an’i Maria.

Indray andro dia nisy anjely iray antsoina hoe Gabriela nitsidika an’i Maria. Natahotra i Maria tamin’ny voalohany. Saingy nilaza i Gabriela fa nirahin’ Andriamanitra izy. Tsy nila natahotra akory i Maria. Nilaza izy fa tena niavaka teo imason’ Andriamanitra i Maria, ary hanan-janaka tsy ho ela. Ny zanak’i Maria no ho zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa.

Lioka 1:26–33

Ilay anjely milaza amin’i Maria fa hanan-janaka izy.

Sahiran-tsaina anefa i Maria. Tsy mbola nanambady an’i Josefa izy. Ahoana no ahafahany manan-janaka? Nanazava i Gabriela fa amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra no hitrangan’izany. Hoy izy taminy: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra”.

Lioka 1:34–37

I Maria milaza amin’ilay anjely fa izy dia vonona ny ho renin’ny Zanak’ Andriamanitra.

Nanana fanetren-tena sy nahatoky i Maria. Nolazainy tamin’i Gabriela fa ankizivavin’i Tompo izy. Vonona ny ho renin’ny Zanak’ Andriamanitra izy.

Lioka 1:38

I Josefa mahare hoe hanan-janaka i Maria.

Rehefa hitan’i Josefa fa hanan-janaka i Maria dia sahiran-tsaina izy. Nanontany tena izy raha toa ka mbola hanambady an’i Maria.

Matio 1:19

Anjely iray miseho amin’i Josefa.

Saingy indray alina dia nitsidika an’i Josefa tao anatin’ny nofy ilay anjely. Nilaza tamin’i Josefa ilay anjely fa zanak’ Andriamanitra ny zanak’i Maria, ary i Josefa dia hanao ny anarany hoe Jesoa. Hamonjy ny olona rehetra amin’ny fahotany i Jesoa. Nilaza ilay anjely fa tokony hanambady an’i Maria ihany i Josefa.

Matio 1:20–23

I Josefa manambady i Maria.

Nanao izay nolazain’ilay anjely i Josefa. Ka dia nifanambady i Josefa sy i Maria.

Matio 1:24

I Maria mitsidika an’i Elizabeta havany.

Nandeha nitsidika an’i Elizabeta havany i Maria. Nilaza tamin’i Maria ilay anjely fa mitoe-jaza ihany koa i Elizabeta, na dia efa antitra be aza izy. Fahagagana iray hafa avy amin’ Andriamanitra izany. Ny zananilahy dia hitombo, ka ho lasa i Jaona Mpanao Batisa. Rehefa niditra ny trano i Maria dia niarahaba an’i Elizabeta.

Lioka 1:13–17, 36, 39–40

I Maria sy i Elizabeta mifaly.

Raha vantany vao naheno an’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza tao an-kibony. Feno ny Fanahy Masina i Elizabeta. Fantany fa Zanak’ Andriamanitra no nentin’i Maria. Nifaly niaraka tamin’i Elizabeta i Maria. Nankalaza an’ Andriamanitra izy noho ireo zavatra mahatalanjona rehetra ataony mba hitahiana ireo zanany.

Lioka 1:41–55