Tantara ao amin’ny soratra masina
Taratasy avy amin’i Jakoba—Fanasana mba hankatò, fa tsy hihaino fotsiny ny tenin’ Andriamanitra


Jakoba 1–3

Taratasy avy amin’i Jakoba

Fanasana mba hankatò fa tsy hihaino fotsiny ny tenin’ Andriamanitra

I Jakoba manoratra taratasy

Zanakalahin’i Maria sy iray tamin’ireo rahalahin’i Jesoa Kristy i Jakoba. I Jakoba koa dia mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema. Nanoratra taratasy ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao izy mba hanampiana azy ireo hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Jakoba 1:1

I Joseph Smith mamaky Baiboly

Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.” Taona maro taty aoriana dia nisy ankizilahy iray nantsoina hoe Joseph Smith namaky ireo teny ireo ary nanapa-kevitra ny hivavaka momba ireo fanontaniany. Nilaza i Joseph Smith taty aoriana hoe: “Hitako fa ny tenivavolombelon’i Jakoba dia marina.” Namaly ny vavaka nataon’i Joseph Andriamanitra, ary hamaly ny antsika koa Izy.

Jakoba 1:5; Joseph Smith—Tantara 1:11–17, 26

I Jakoba mampianatra andian’olona.

Nanoratra ihany koa i Jakoba fa tokony hihaino tsara ny zavatra lazain’ny olona hafa isika ary miezaka ny tsy ho tezitra amin’izy ireo. Rehefa tezitra isika dia tsy afaka manompo an’ Andriamanitra.

Jakoba 1:19–20

Zazalahy sy zazavavy iray miresaka amin’ny vehivavy iray manana zazakely mitomany.

Nilaza i Jakoba fa tsy ampy ny mandre fotsiny ny tenin’ Andriamanitra; mila miaina izany koa isika. Nosoratany hoe: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany.”

Jakoba 1:22

Ilay zazalahy sy ilay ankizivavy manasa ilay vehivavy sy ny zanany mba hiditra ao anatin’ny lay mafana miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Nanazava i Jakoba fa ny hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia mihoatra lavitra noho ny finoana an’ Andriamanitra fotsiny. Na ny devoly aza dia mahafantatra fa tena misy Andriamanitra. Rehefa mahita olona mangatsiaka na noana isika dia tokony hanome akanjo sy sakafo ho azy ireo. Tokony hamangy ireo mananotena sy kamboty isika. Nanoratra i Jakoba hoe: “Ny finoana raha tsy misy asa dia maty”.

Jakoba 1:27; 2:14–20

Lehilahy mitarika soavaly hiala amina loza.

Te hampianatra ny Olomasina hiresaka amin-katsaram-panahy amin’ny olona ihany koa i Jakoba. Nilaza izy fa ny fitandremana ny tenintsika dia toy ny fitarihana soavaly iray. Afaka mitarika soavaly lehibe amina lamboridy isika, izay miraikitra amina vy kely eo am-bavan’ilay soavaly. Mety ho toa bitika ihany koa ny tenintsika, saingy afaka ny ho mahery vaika izany.

Jakoba 3:2–3

Sambo iray ao anatin’ ny tafio-drivotra iray, izay tarihina familiana kely.

Nilaza i Jakoba fa ny fifehezana ny tenintsika dia toy ny familiana sambo. Na dia lehibe aza ilay sambo ary matanjaka ny rivotra dia afaka mitarika ilay sambo isika amin’ny fifehezana ilay familiana kely. Toy ny tenintsika ilay familiana. Raha afaka mifehy ny zavatra lazaintsika isika dia afaka mitondra fiovana lehibe!

Jakoba 3:4–5

Olona mifamaly amin’ny miaramila Romana izay nampienjera voankazo vitsivitsy.

Ny teny atao amin-karatsiam-panahy hoy Jakoba nanazava, dia afaka ny ho tahaka ny pitikafo izay lasa lelan’afo be. Afaka miparitaka haingana izy ireny ary miteraka faharatrana be. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fitandremana ny tenintsika.

Jakoba 3:5–6

Ankizy manolotra voankazo ho an’ilay miaramila.

Nanoratra i Jakoba fa mampiasa ny vavantsika isika mba hivavahana amin’ny Ray any An-danitra. Saingy indraindray koa isika dia mampiasa ny vavantsika mba hilazana zavatra ratsy amin’ny olon-kafa, izay zanaky ny Ray any An-danitra. Nilaza i Jakoba fa tsy tokony ho toy izany ilay izy.

Jakoba 3:9–10

Zava-miseho feno fiadanana teo akaikin’ny loharano iray, niaraka tamin’i Jakoba nampianatra ny olona momba ny filazantsara.

Mba hampianarana ireo Olomasina hiteny teny feno hatsaram-panahy dia nampianatra i Jakoba fa ny loharano iray dia tsy afaka sady mamoaka rano mamy no mamoaka rano mangidy. Tsy afaka mamoa voan’oliva ny aviavy, ary ny voaloboka dia tsy afaka mamoa voan’aviavy. Torak’izany koa, raha manana hatsarana sy fitiavana ao am-pontsika isika dia tokony ho tsara sy be fitiavana koa ny tenintsika!

Jakoba 3:11–18