Tantara ao amin’ny soratra masina
Miaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy—Izy no “tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy”


Hebreo 11–12

Mivelona amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Izy no “tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy”

Lehilahy iray sy ankizivavy iray mijery ireo olona manimba ny vilany tanimangan’izy ireo.

Tsy mora foana ny hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy tany am-piandohan’ny Fiangonana. Indraindray ny olona dia mankahala ireo mpikamban’ny Fiangonana na mihomehy azy ireo noho ny finoan’izy ireo. Te hanampy azy ireo hihazona ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy i Paoly.

Hebreo 10:32–39

Ilay lehilahy sy ankizivavy mivavaka, misy an’i Paoly eo anoloana.

Nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina Hebreo, na Jiosy i Paoly. Nampianatra izy fa ny finoana dia midika hoe mino sy manantena zavatra iray, na dia tsy hitantsika aza izany. Ohatra, ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia midika hoe matoky Azy sy ny fampanantenany, na dia tsy mbola nandray ireo fitahiana izay antenaintsika aza isika.

Hebreo 11:1, 6

Mitsiky ilay ankizivavy rehefa mamaky tantara momba ireo olona izay nanam-pinoana ilay lehilahy.

Mba hanampiana ireo Olomasina Hebreo hiatrika ny olan’izy ireo amim-pinoana dia nampahatsiahy azy ireo tantara momba ny olona ao amin’ny soratra masina izay nanana finoana lehibe i Paoly.

Hebreo 11:4–40

I Noa mijery ireo toromarika amin’ny fanorenana ilay sambofiara.

Ohatra, niresaka momba an’i Noa i Paoly. Nilaza tamin’i Noa Andriamanitra mba hanamboatra sambofiara hamonjena ny fianakaviany amin’ny safodrano. Nanana finoana ny hankatò i Noa, na dia talohan’ny nahitany ny orana aza.

Hebreo 11:7

I Abrahama sy Saraha miala ny trano fonenany.

Niresaka momba an’i Abrahama sy i Saraha i Paoly, izay nanam-pinoana ny handao ny tranon’izy ireo satria nampanantena Andriamanitra fa hitarika azy ireo ho any amin’ny toerana tsaratsara kokoa. Nanana finoana ny fampanantenan’ Andriamanitra ihany koa izy ireo fa hanana fianakaviana tena lehibe, na dia efa antitra aza izy ireo ary tsy mbola nanan-janaka.

Hebreo 11:8–16

Ny reny sy anabavin’i Mosesy manafina azy ao anaty harona.

Niresaka momba an’i Jokebeda renin’i Mosesy ihany koa i Paoly. Nanana finoana ny hanafina an’i Mosesy izy fony izy zazakely, mba hiarovany azy amin’ny mpanjaka ratsy fanahy iray.

Hebreo 11:23

I Mosesy mijery Egyptiana iray izay nampijaly Isiraelita.

Lehibe tany Egypta i Mosesy. Mety ho nanan-karena sy nahazo aina izy. Saingy nafoiny avokoa izany rehetra izany satria nanana finoana an’ Andriamanitra sy ireo fitahiana ho azony izy.

Hebreo 11:24–27

I Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena

Noho ny finoany dia nitarika ny vahoakan’ Andriamanitra hiala tamin’ny fanandevozana i Mosesy. Nandeha namakivaky ny Ranomasina Mena nandia tany maina mihitsy aza izy ireo!

Hebreo 11:29

Rahaba miaraka amin’ireo zanany.

Niresaka momba an’i Rahaba ihany koa i Paoly. Nanana finoana ny hanampy ny vahoakan’ Andriamanitra izy, na dia tsy nisy olona hafa tao amin’ny tanànany aza nino ny Tompo. Nanavotra ny fianakaviany ny finoany.

Hebreo 11:30–31

Ilay lehilahy sy ilay zazavavy mijery ny vilany tanimanga namboarin’izy ireo.

Nilaza i Paoly fa ireo ohatra maro maneho finoana ireo dia afaka manampy antsika hanana finoana an’i Jesoa Kristy ihany koa, na dia sarotra aza ny fiainana. Afaka mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary mibanjina an’i Jesoa, ilay “tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy”. Vonona ny ho faty ho antsika Izy satria fantany fa hitondra fifaliana sy fanasitranana lehibe ny Sorompanavotany!

Hebreo 12:1–2