Tantara ao amin’ny soratra masina
Nangataka an’ireo Apôstôly i Jesoa mba hamahana ny ondriny—Maneho fitiavana an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fampianarana ny hafa momba Azy


Jaona 21; Matio 28:16–20; Marka 16:15–19

Nangataka an’ireo Apôstôly i Jesoa mba hamahana ny ondriny

Maneho fitiavana an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fampianarana ny hafa momba Azy

Nandeha nanjono i Petera sy ireo Apôstôly hafa.

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nandeha nanjono i Petera sy ny sasany tamin’ireo Apôstôly hafa. Na dia nanjono nandritra ny alina aza izy ireo dia tsy nahazo na inona na inona.

Jaona 21:1–3

I Jesoa manontany an’ ireo Apôstôly raha toa ka nahazo trondro izy ireo.

Ny ampitso marainan’io dia nahita an’i Jesoa teny amoron-dranomasina ireo Apôstôly, saingy tsy fantatr’izy ireo hoe Izy izany. Nanontaniany raha toa ka nahazo trondro izy ireo. Nilaza izy ireo hoe tsy nahazo.

Jaona 21:4–5

Ireo Apôstôly miezaka misintona ilay harato feno trondro ho ao anaty sambo.

Nasain’i Jesoa nandroboka ny harato teo amin’ny ilany havanan’ilay sambo ireo Apôstôly dia hahazo trondro izy ireo. Nanao izay nolazain’i Jesoa ireo Apôstôly, ary trondro mihoatra ny zato no nameno ilay harato! Navesatra loatra ilay harato ka tsy afaka nisintona izany ho ao anaty sambo ireo Apôstôly.

Jaona 2:16

I Petera milomano mankany amin’i Jesoa.

Avy eo dia fantatr’i Jaona hoe iza ilay lehilahy. Hoy izy tamin’i Petera hoe: "Ny Tompo iry." Nitsambikina tao anaty ranomasina i Petera ary nilomano nankany amin’i Jesoa. Nentin’ireo Apôstôly hafa teo amoron-tsiraka ilay sambo sy ny trondro. Nahandro mofo sy hazandrano i Jesoa, ary nanasa ireo Apôstôly Izy mba hiara-hihinana Aminy.

Jaona 21:7–13

I Jesoa milaza amin’i Petera mba hamahana ny zanak’ondriny.

Rehefa avy nihinana izy ireo dia nanontany an’i Petera i Jesoa hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” Eny, hoy i Petera. Dia hoy i Jesoa: “Fahano ary ny ondrikeliko.”

Jaona 21:15.

I Petera milaza amin’i Jesoa fa tia Azy Izy.

Dia nanontany an’i Petera indray i Jesoa raha tia Azy izy. Mbola niteny eny ihany i Petera. Hoy i Jesoa taminy: “Fahano ary ny ondriko.”

Jaona 21:16

I Jesoa mampianatra an’i Petera hikarakara ireo olona izay manaraka Azy.

Nanontany fanintelony an’i Petera i Jesoa raha tia Azy izy. Hoy Petera: “Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho.” Mbola niteny taminy indray ny Tompo hoe “Fahano ary ny ondriko.” Tiany hikarakara ireo olona izay manaraka an’i Jesoa i Petera.

Jaona 21:17

I Jesoa milaza amin’ireo Apôstôly mba hizara ny filazantsara.

Taty aoriana dia nangataka ireo Apôstôliny i Jesoa mba hihaona Aminy teny an-tendrombohitra. Tany no nilazany tamin’izy ireo mba hizara ny filazantsarany manerana an’izao tontolo izao, sy hampianatra ny olona ny didiny, ary hanao batisa ny olona rehetra izay mino. “Ho vavolombeloko [ianareo]” hoy Izy. Nampanantena Izy fa hiaraka amin’izy ireo Izy ary hanome azy ireo hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Matio 28:16–20; Marka 16:15–19; Asan’ny Apostoly 1:8

I Jesoa miakatra any an-danitra.

Avy eo dia niakatra tany an-danitra tao anaty rahona i Jesoa. Niverina tany amin’ny Rainy any An-danitra Izy. Rehefa nijery Azy niala ireo Apôstôly dia nisy anjely roa niseho. Nilaza izy ireo fa tahaka ny nandehanan’i Jesoa tany an-danitra dia hiverina eto an-tany amin’ny fomba mitovy amin’izany koa Izy indray andro any.

Asan’ny Apostoly 1:9–11