Matio 14:22–33
Mandeha eo ambony rano
Mandresy ny tahotra ny finoana
Nila fotoana kely hitokanana i Jesoa mba hivavaka. Nalefany hiondrana an-tsambokely ho eny am-pitan’ny Ranomasin’i Galilia ireo mpianany. Nandeha nivavaka teny an-tendrombohitra i Jesoa.
Matio 14:22–23
Tamin’io alina io dia nahery ny rivotra ary lehibe ny onja. Niasa mafy ireo mpianatr’i Jesoa nandritra ny alina niezaka nitondra ilay sambo ho eny am-pitan’ny ranomasina.
Matio 14:24–25
Rehefa nadiva hifarana ny alina dia nahita olona nandeha teny ambony rano nanatona azy ireo ny mpianatra. Nihevitra izy ireo fa matoatoa izany, ary natahotra izy ireo. I Jesoa anefa izany; fa tsy matoatoa! Ary Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Matokia, fa izaho ihany, aza matahotra”.
Matio 14:25–27
Nangataka an’i Jesoa i Petera mba hanasa azy hanatona Azy teny ambonin’ny rano. Ary hoy Izy: “Manatona!” Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera, ary nanomboka nandeha teny ambonin’ny rano, tahaka an’i Jesoa!
Matio 14:28–29
Saingy rehefa nahita ny rivotra sy ny alon-drano lehibe i Petera, dia natahotra. Nanomboka nilentika tao anaty rano izy. Ary niantso an’i Jesoa izy hoe: “Tompo o, vonjeo aho”.
Matio 14:30
Naninjitra ny tanany i Jesoa ary nandray an’i Petera. Nanontaniany an’i Petera ny antony nampiahanahana azy, kanefa tokony ho natoky Azy kokoa.
Matio 14:31
Rehefa niakatra tao an-tsambokely i Jesoa sy i Petera dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona tamin’ny zava-nitranga ireo mpianatra. Fantatr’izy ireo fa tena Zanak’ Andriamanitra marina i Jesoa, ary dia niankohoka teo anatrehany izy ireo.
Matio 14:32–33