Tantara ao amin’ny soratra masina
Manolotra ny ainy ho antsika i Jesoa—Sorona iray mba hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana


Matio 27; Lioka 23; Jaona 19

I Jesoa Kristy manolotra ny ainy ho antsika

Sorona iray mba hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana

Ireo miaramila mametraka satroka tsilo teo an-dohan’i Jesoa.

Rehefa avy nanapa-kevitra i Pilato fa tokony hohomboana i Jesoa dia nilaza tamin’ireo miaramilany izy mba haka an’i Jesoa. Nokaravasiany sy nororany Izy ary nasiany satroka tsilo ny lohany, ary nanao Azy ho fihomehezana izy.

Marka 15:15–20

I Jesoa mitondra hazofijaliana mavesatra.

Nataon’ireo miaramila nitondra hazofijaliana mavesatra i Jesoa. Nentin’izy ireo tany amin’ny toerana iray ivelan’i Jerosalema antsoina hoe Golgota Izy.

Jaona 19:17

I Jesoa homboan’ireo miaramila eo amin’ny hazofijaliana.

Nohomboan’ireo miaramila teo amin’ny hazofijaliana ny tanana sy ny trongotr’i Jesoa. Nangataka ny Rainy any An-danitra i Jesoa mba hamela heloka ireo miaramila, satria tsy fantatr’izy ireo fa ny Zanak’ Andriamanitra no nohomboany.

Lioka 23:33–34; jereo ihany koa ny Dikatenin’i Josseph Smith eo amin’ny fanamarihana ambanin’ny pejy 34c

Vahoaka maro be mijery an’i Jesoa sy jiolahy roa homboana.

Nisy jiolahy anankiroa izay nohomboana niaraka tamin’i Jesoa tamin’io andro io. Hoy ny iray tamin’izy ireo Taminy: “Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.”

Lioka 23:39

I Jesoa miresaka amin’ny iray amin’ireo jiolahy.

Nilaza ilay jiolahy iray hafa fa mendrika ny famaizana azy ireo, saingy tsy nanao na inona na inona ka ratsy i Jesoa. Nangataka an’i Jesoa izy mba hahatsiaro Azy rehefa mby ao amin’ny fanjakany. Nilaza taminy i Jesoa fa tsy ho ela dia hiaraka any amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo.

Lioka 23:40–43

I Jesoa milaza amin’i Jaona mba hikarakara ny reniny.

Maro tamin’ireo vehivavy izay nanara-dia an’i Jesoa Kristy no tonga teo amin’ny hazofijaliana mba hiaraka Aminy. I Maria, renin’i Jesoa dia iray tamin’ireo vehivavy ireo. Nahita azy i Jesoa ka niteny tamin’i Jaona, izay iray tamin’ireo Apôstôliny mba hikarakara azy.

Jaona 19:25–27; jereo ihany koa ny Lioka 8:1–3; Marka 15:40–41

Rakotra haizina ny tany.

Nandritra ny adiny telo dia rakotry ny haizina ny tany. Nahatsapa ho tena manirery i Jesoa. Nahatsapa ho toy ny nilaozan’ny Rainy any An-danitra Izy.

Matio 27:45–46

I Jesoa manolotra ny ainy.

Nony farany dia fantatr’i Jesoa fa tapitra ny fijaliany. Hoy Izy: “Ray ô, vita, tanteraka ny sitraponao”. Avy eo dia nanondrika ny lohany i Jesoa ary nanolotra ny ainy. Mba hahitana fa tena maty tokoa Izy dia nisy miaramila iray nanindrona Azy teo amin’ny lanivoany tamin’ny lefona.

Dikanteny nataon’i Joseph Smith, Matio 27:54 (ao amin’ny Matio 27:50, ); Jaona 19:28–30, 34

Triatra nizara roa ny voaly ao amin’ny tempoly.

Nihovitra ny tany nony maty i Jesoa. Nitresaka ka niparitaka ireo vatolampy. Nizara roa ny voalin’ny tempoly, ilay lay nandrakotra ny toerana masina indrindra ao amin’ny tempoly.

Matio 27:51

Matahotra ireo miaramila mijery an’i Jesoa.

Natahotra ireo miaramila. “Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io,” hoy izy ireo.

Matio 27:54

Ny renin’i Jesoa sy ireo mpianany mametraka ny vatany anaty fasana.

Nofonosin’ireo mpianatr’i Jesoa lamba ny vatany ary napetrany tao am-pasana tao amin’ny saha iray. Taty aoriana dia nasian’izy ireo vatobe azo hakodiadia teo anoloan’ny varavaran’ny fasana.

Matio 27:57–61; Jaona 19:38–41