1 sy 2 Tesaloniana
Zanaky ny fahazavana
Mino an’i Jesoa Kristy eo am-piandrasantsika ny fiaviany indray
Nientanentana ny amin’ny andro izay ahatongavan’i Jesoa Kristy indray ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly. Tany amin’ny toerana iray antsoina hoe Tesalonika, dia sarotra ho an’ny Olomasina ny fiainana. Nanontany tena izy ireo raha toa ka midika izany fa ho avy tsy ho ela i Jesoa. Nanoratra taratasy i Paoly mba hanampiana azy ireo.
1 Tesaloniana 4:16–18; 5:1–2; 2 Tesaloniana 1:4
Nilaza i Paoly fa tsy misy mahafantatra ny fotoana hiavian’i Jesoa indray. Tampoka ho an’ olona sasany izany, toy ny mpangalatra tonga amin’ny alina raha mbola resin-tory izy ireo.
1 Tesaloniana 5:2–3; 2 Tesaloniana 2:2
Saingy nilaza tamin’ireo Olomasina i Paoly fa tsy tao anatin’ny haizina izy ireo. Satria nanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo dia Olomasina zanaky ny fahazavana!
1 Tesaloniana 5:4–5
Nanazava i Paoly fa mialoha ny hiverenan’i Jesoa indray dia olona maro no hiala amin’ny fahamarinana. Tiany ireo Olomasina, zanaky ny fahazavana mba hanohy hanaraka an’i Jesoa ary hanohy hiandrandra ny fiaviany. Raha manao izany isika, na inona na inona mitranga eto amin’izao tontolo izao, dia ho vonona isika rehefa miverina i Jesoa.
1 Tesaloniana 1:5; 2 Tesaloniana 2:3