Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fiadian’ Andriamanitra —Mijanona ho voaro ara-panahy


Efesiana 6:11–17

Ny fiadian’ Andriamanitra

Mijanona ho voaro ara-panahy

I Paoly manoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tao Efesosy momba ny adintsika ara-panahy amin’ny ratsy.

Nampianatra ireo Olomasina tao Efesosy i Paoly fa isika rehetra dia ao anatin’ny ady ara-panahy amin’ny ratsy. Tahaka ireo miaramila izay mitafy fiarovan-tena mba hiarovana ny vatany dia afaka mitafy ny fiadian’ Andriamanitra isika mba hiarovana ny fanahintsika.

Efesiana 6:11–13

Ankizivavy iray mametraka fehikibo fiarovan-tena.

Nampitahain’i Paoly tamin’ny fiarovan-tenan’ny miaramila iray ireo zavatra izay miaro antsika ara-panahy. Ohatra, nilaza izy fa ny fahamarinana dia toy ny sikina na fehikibo manodidina ny valahantsika.

Efesiana 6:14

Ankizilahy iray mametraka saron-tratra.

Manaraka izany dia nilaza i Paoly fa ny fahamarinana dia toy ny saron-tratra izay miaro ny fontsika.

Efesiana 6:14

Kiraro sy ranjo misy fiarovana.

Ny filazantsaran’ny fiadanan’i Jesoa Kristy dia tahaka ny kiraro izay anaovantsika hiarovana ny tongotsika.

Efesiana 6:15

Ankizivavy iray mihazona ampinga

Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia toy ny ampinga iray izay miaro antsika amin’i Satana, toy ny ampinga miaro ireo miaramila amin’ny zanatsipikan’ny fahavalony.

Efesiana 6:16

Ankizilahy iray manao fiarovan-doha.

Nilaza i Paoly fa ny famonjena dia toy ny fiarovan-doha izay mihazona ny lohantsika sy ny saintsika ho voaro.

Efesiana 6:17

Sabatra roa.

Farany dia nilaza i Paoly fa ny Fanahy sy ny tenin’ Andriamanitra dia toy ny sabatra.

Efesiana 6:17

Ankizivavy sy ny ankizilahy voaro tanteraka amin’ny alalan’ny fiadian’ Andriamanitra.

Rehefa mitafy ny singa rehetra amin’ny fiadian’ Andriamanitra isika dia afaka hijoro amim-pahasahiana hanohitra ny laingan’ny devoly sy ny fakam-panahy. Nomen’ Andriamanitra antsika io fiadiana io mba hanampiana antsika hiaro ny fanahintsika ho voaro sy ho matanjaka.

Efesiana 6:11–13