Marka 5:21–43
I Jesoa manasitrana vehivavy iray sy manangana ny Zanakavavin’i Jairo
“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”
Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Jairo nipetraka niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany vavy tao amin’ny tanàna iray akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. I Jairo dia mpitarika tao amin’ny synagoga, izay toerana nandehanan’ny Jiosy hitsaoka an’ Andriamanitra.
Marka 5:22
Narary mafy ny zanakavavin’i Jairo, izay 12 taona monja. Tena efa ho faty izy. Fantatr’i Jairo fa nila fanampiana izy. Nahafantatra ihany koa izy fa tao an-tananan’izy ireo i Jesoa.
Marka 5:22–23
Nivoaka ny tranony i Jairo ary nahita an’i Jesoa. Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa izy ary niangavy fatratra taminy mba handeha hanasitrana ny zanany vavy. Fantatr’i Jairo fa raha mitsodrano ny zanany vavy i Jesoa dia ho velona izy. Nanaraka an’i Jairo tany an-tranony i Jesoa. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
Marka 5:23–24
Vehivavy iray ihany koa, izay tao amin’io tanàna io ihany, no nila ny fanampian’i Jesoa. Efa narary mafy nandritra ny 12 taona izy. Efa nandany ny volany rehetra tamin’ny mpitsabo izy, saingy tsy nisy afaka nanasitrana azy—vao mainka nihanarary kokoa aza izy. Nahafantatra izy fa afaka hanasitrana azy i Jesoa. Saingy ahoana no ahafahany mihaona Aminy manoloana ireo vahoaka?
Marka 5:25–27
Nino ilay vehivavy fa raha toa ka afaka mikasika ny fitafian’i Jesoa fotsiny izy, dia ho sitrana. Nanatratra an’i Jesoa teny am-pandehanana izy. Raha vantany vao nikasika ny somotraviavin-dambany izy, dia sitrana ny aretiny.
Matio 9:20; Marka 5:27–29; Lioka 8:44
Teo no ho eo ihany dia nijanona tsy nandeha i Jesoa. Nahatsapa hery niala avy tao Aminy Izy. “Iza moa no nanendry Ahy?” Hoy Izy nanontany. Sahiran-tsaina ireo mpianany. Fa olona maro no nikasika Azy—voahodidin’ny olona izy ireo. Ary nijery manodidina Izy hizaha izay olona nikasika Azy.
Marka 5:30–32; Lioka 8:45
Hitan’i Jesoa ilay vehivavy nikasika ny akanjony. Nolazainy tamin’i Jesoa ny aretiny, ary nahasitrana azy i Jesoa. Nampaherezin’i Jesoa izy. Sitrana izy noho ny finoany Azy. “Mandehana soa aman-tsara”, hoy Izy taminy.
Marka 5:33–34; Lioka 8:47–48
Avy eo dia nisy lehilahy iray tonga avy tany an-tranon’i Jairo. Nilaza izy fa efa tara loatra: efa maty ny zanakavavin’i Jairo. Ary tsy tokony hanahirana an’i Jesoa intsony i Jairo.
Marka 5:35
Raha vantany vao nandre izany i Jesoa dia nilaza tamin’i Jairo Izy hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”. Dia nandeha tany an-tranon’i Jairo izy ireo nony avy eo.
Marka 5:36–38
Nitarika an’i Jesoa tany amin’ny toerana nandrian’ny zanakavavin’izy ireo i Jairo sy ny vadiny. Dia nandray ny tanan-drazazavavy izy ka niteny taminy hoe: “Mitsangàna”.
Marka 5:41
Dia nitsangana niaraka tamin’izay avy teo am-pandriany ilay zanakavavin’i Jairo. Tsy maty intsony izy! Nangataka an’i Jairo sy ny vadiny i Jesoa mba hanome hanina azy. Talanjona izy ireo tamin’ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ny zanany vavy. Nangataka azy ireo Izy mba tsy hilaza amin’ny olona hafa momba io fahagagana io.
Marka 5:42–43