Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka—Hafatra mitondra fanantenana


Matio 20:1–16

Ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka

Hafatra mitondra fanantenana

I Jesoa mitantara fanoharana iray momba ny lehilahy iray izay nampiditra mpiasa vitsivitsy mba hanampy azy.

Nilaza fanoharana na tantara iray tamin’ny mpianany i Jesoa mba hanampiana azy ireo hahatakatra hoe toy ny ahoana ny fanjakan’ny lanitra. Ao amin’ilay fanoharana dia nila olona niasa tao amin’ny tanimboalobony ny lehilahy iray. Koa, indray maraina dia nahita mpiasa vitsivitsy izay nanaiky ny hiasa mandritra ny andro manontolo izy amin’ny karama farantsakely iray. Nanomboka niasa izy ireo.

Matio 20:1–2

Ilay lehilahy mandray mpiasa fanampiny.

Ora telo taty aoriana dia nandray mpiasa fanampiny ilay lehilahy. Nangataka azy ireo izy mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony mandritra ny ambin’ny tontolo andro. Napanantena ny hanefa azy ireo ara-drariny izy.

Matio 20:3–4

Ilay lehilahy, mbola mampiditra mpiasa fanampiny.

Ora telo taorian’izany dia mbola nahita olona fanampiny izay nila asa ilay lehilahy. Nasainy niasa tao amin’ny tanimboalobony ihany koa izy ireo.

Matio 20:5

Ilay lehilahy, mahita olona bebe kokoa ary nadray azy ireo mba hanampy azy.

Farany, rehefa akaiky hifarana ny andro dia nahita olona tsy nanan-katao ilay lehilahy. Nilaza izy ireo fa tsy nisy olona nanome asa azy ireo nandritra ny tontolo andro. Nilaza ilay lehilahy fa afaka miasa ao amin’ny tanimboalobony izy ireo mandritra ny ora farany amin’ilay andro.

Matio 20:6–7

Ilay lehilahy manome karama ireo mpiasa, tezitra ny sasany.

Rehefa tapitra ny ora fiasana dia nanome karama ireo mpiasa ilay lehilahy. Nomeny farantsakely iray ireo olona izay niasa nandritra ny ora iray. Nomeny farantsakely iray tsirairay avy ihany koa ireo mpiasa hafa. Tezitra ireo olona izay niasa nandritra ny manontolo andro. Nihevitra izy ireo fa tokony hahazo vola bebe kokoa noho ny hafa rehetra.

Matio 20:8–12

Mampianatra momba ny hatsaram-panahy sy ny rariny i Jesoa.

Nampahatsiahivin’ilay lehilahy an’ireo mpiasa ireo fa nanaiky ny hiasa manontolo andro ho an’ny farantsakely iray izy ireo. Nilaza izy fa tsy tokony ho tezitra izy ireo raha toa izy ka nisafidy ny ho tsara fanahy amin’ny hafa izay niasa tao amin’ny tanimboliny .

Matio 20:13–16