Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa sy ilay Zatovolahy mpanan-karena—“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”


Marka 10:17–31

I Jesoa sy ilay Zatovolahy mpanan-karena

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Zatovolahy iray mihazakazaka manatona an’i Jesoa.

Raha mbola nandeha i Jesoa sy ireo mpianany dia nisy zatovolahy mpanan-karena iray nihazakazaka nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anoloany. Nanontaniany an’i Jesoa izy ny amin’ny zavatra tokony hataony mba hahafahany miara-miaina indray amin’ny Ray any An-danitra.

Marka 10:17

I Jesoa mampatsiahy an’ ilay zatovolahy ny momba ireo didy.

Nampahatsiahy ilay zatovolahy ny Mpamonjy fa efa fantany ireo didin’ Andriamanitra: aza mamono olona, aza mandainga na mangalatra, ary manajà ny rainao sy ny reninao.

Marka 10:19

Mamaly an’i Jesoa ilay zatovolahy.

Namaly ilay zatovolahy fa nankatò ireo didy ireo foana izy hatramin’ny fahazazany.

Marka 10:20

Mampianatra ilay zatovolahy i Jesoa.

Nijery ilay zatovolahy tamim-pitiavana i Jesoa. Nilaza taminy Izy fa mila manao zavatra iray fanampiny izy. Mila mivarotra ny zavatra rehetra nananany izy, sy manome ny vola ho an’ny mahantra, ary ho lasa iray amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Dia hanana ireo rakitra any an-danitra izy avy eo!

Marka 10:21

Lasa ilay zatovolahy.

Tena nanan-karena be ilay zatovolahy. Tsy te hanome maimaim-poana ny zavatra rehetra nananany izy. Niala tamin’alahelo izy.

Marka 10:22

I Jesoa manazava fa mila matoky an’ Andriamanitra isika fa tsy amin’ny harena.

Nilaza i Jesoa fa mora kokoa ho an’ny rameva ny miditra amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny olona izay tia harena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Talanjona ireo mpianatra. “Iza indray no azo hovonjena?” hoy izy ireo nanontany. Nanazava i Jesoa fa mila matoky an’ Andriamanitra isika mba ho voavonjy. “Fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra,” hoy Izy.

Marka 10:23–30