Tantara ao amin’ny soratra masina
Nanasitrana lehilahy folo boka i Jesoa—Ny maha-zava-dehibe ny fankasitrahana


Lioka 17:11–19

Nanasitrana lehilahy folo boka i Jesoa

Ny maha zava-dehibe ny fankasitrahana

I Jesoa mahita vondron’olona marary.

Rehefa nandeha i Jesoa dia niditra tao amin’ny tanàna iray Izy ary nahita lehilahy folo izay nanana aretin-koditra nantsoina hoe habokana. Ny olona boka dia tsy maintsy niala lavitra ny olon-drehetra, na ny fianakaviany aza, mba tsy hamparary ny olona hafa.

Lioka 17:11–12

Lehilahy maromaro mangataka an’i Jesoa mba hanasitrana azy ireo.

Niantso an’i Jesoa ireo lehilahy ireo ary nangataka Azy mba hanasitrana azy ireo. Nasain’i Jesoa nandeha tany amin’ireo mpisorona tao an-tanana izy ireo. Ireo mpisorona ihany no afaka manapa-kevitra raha toa ka afaka miaraka amin’ny olon-kafa indray izy ireo.

Lioka 17:13–14; jereo koa ny Levitikosy 14:2–3

Ireo lehilahy sitrana.

Rehefa nandeha nitsidika ireo mpisorona ireo lehilahy folo marary dia nisy fahagagana nitranga. Niala ny aretin’izy ireo. Sitrana izy ireo!

Lioka 17:14

Ny iray amin’ireo lehilahy misaotra an’ Andriamanitra noho ny fahasitranany.

Rehefa nahita ny iray tamin’ireo lehilahy fa sitrana izy dia nitodika izy ary nisaotra an’ Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Samaritana izy.

Lioka 17:15–16

I Jesoa miresaka amin’ilay lehilahy momba ny finoana.

Niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa ilay lehilahy mba hisaotra Azy noho ny zavatra nataony. Nanontanian’i Jesoa hoe aiza ireo lehilahy sivy hafa izay sitrana. Lehilahy iray ihany no niverina mba hisaotra Azy! Dia hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy hoe: “Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao”.

Lioka 17:16–19