Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fanasana farany—Mampahafantatra momba ny fanasan’ny Tompo i Jesoa


Matio 26; Lioka 22; Jaona 13–14

Ny fanasana farany

Mampahafantatra momba ny fanasan’ny Tompo i Jesoa

I Jesoa sy ireo Apôstôliny tao Jerosalema.

Tany Jerosalema i Jesoa sy ireo Apôstôliny mba hankalaza ny Paska. Nankalaza ny Paska isan-taona ny vahoaka Jiosy. Nanampy azy ireo izany hahatsiaro fa, taona maro lasa izay, dia andevo tany Egypta ny fianakavian’izy ireo, ary nanampy azy ireo hiala tamin’izany Andriamanitra.

Eksodosy 12:27

Nivory teo amin’ny latabatra iray i Jesoa sy ireo Apôstôliny.

Fony izy ireo tany Jerosalema dia niara- nisakafo manokana i Jesoa sy ireo Apôstôliny. Tsy andrin’i Jesoa ny hifampizara izany sakafo izany tamin’izy ireo.

Lioka 22:7–15

I Jesoa manasa ny tongotry ny iray amin’ireo Apôstôliny.

Rehefa avy nisakafo izy ireo dia nofenoin’i Jesoa rano ny vilia iray. Nanomboka nanasa ny tongotr’ireo Apôstôliny Izy.

Jaona 13:4–5

I Petera manontany hoe nahoana i Jesoa no manasa ny tongotr’izy ireo.

Rehefa tonga ny anjaran’i Petera dia nanontany izy hoe nahoana i Jesoa no nanao izany. Ny fanasana tongotra raha ny mahazatra dia zavatra iray izay ny mpanompo ihany no manao azy.

Jaona 13:6

Mampianatra ireo Apôstôliny mikasika ny fomba hifankatiavana i Jesoa.

Nilaza i Jesoa fa manasa ny tongotr’izy ireo Izy mba hanehoana ohatra ho azy ireo. Tiany izy ireo hifanompo sy hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. Raha nanao izany izy ireo dia ho fantatry ny olona fa mpianany izy ireo.

Jaona 13:14–16, 34–35

I Petera miresaka amin’i Jesoa.

Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa fa ho faty tsy ho ela Izy. Nilaza i Petera fa vonona ny ho faty ho an’i Jesoa izy.

Jaona 13:36–38

I Jesoa mamaly an’i Petera.

Saingy fantatr’i Jesoa fa ho avy ireo fotoan-tsarotra. Nilaza tamin’i Petera Izy fa mbola tsy haneno akory ny akoho ny ampitso maraina dia hiteny in-telo i Petera fa tsy nahalala an’i Jesoa izy.

Jaona 13:38

I Jesoa mampianatra ny Apôstôliny momba ny Fanahy Masina.

Fantatr’i Jesoa fa mety miahiahy sy matahotra ireo Apôstôliny. Nampanantena Izy fa handefa ny Fanahy Masina ho azy ireo Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no hampionona sy hampianatra ary hanampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nampianarin’i Jesoa azy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Izy mba tsy hiahiahy na hatahotra. Hoy Izy hoe: “Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”

Jaona 14:1, 15–16, 26–27

I Jesoa mamaky ny mofo ho an’ny fanasan’ny Tompo.

Avy eo dia nanao zavatra tena niavaka i Jesoa mba hanampiana ireo Apôstôliny hahatsiaro Azy mandrakariva. Nomeny azy ireo ny fanasan’ny Tompo. Voalohany, nitsodrano ny mofo Izy, namaky izany ary nanome izany an’ireo Apôstôliny. Nasain’i Jesoa nieritreritra ny vatany izy ireo eo am-pihinana an’ilay mofo. Nangataka Izy mba hahatsiarovany fa ho faty ho azy ireo Izy.

Matio 26:26; Lioka 22:19

I Jesoa mitsodrano ny divay ho an’ny fanasan’ny Tompo.

Avy eo dia nampidina divay tao anaty kaopy iray i Jesoa. Nitsodrano ny divay izy ary nilaza tamin’ireo Apôstôly mba hisotro izany. Nasain’i Jesoa nieritreritra ny rany izy ireo rehefa misotro ny divay. Nangataka azy ireo Izy mba hahatsiaro fa hijaly sy hivoa-drà ary ho faty noho ny fanaintainana sy ny fahotan’ny olon-drehetra Izy mba hahafahantsika mibebaka sy ho voavela heloka.

Matio 26:27–28; Lioka 22:20

I Jesoa mampianatra ireo Apôstôliny mba hitandrina ny didiny.

Dia nanazava i Jesoa avy eo fa toy ny voaloboka Izy ary toy ny sampana ireo mpianany. Raha toa ka mijanona mifandray amin’ilay voaloboka ny sampana iray dia hamoa izany. Ny sampana iray izay tsy mifandray amin’ilay voaloboka dia maty ary tsy afaka hamoa. Tian’i Jesoa ireo mpianany mba hijanona eo akaikiny mandrakariva amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy ny fitandremana ny didiny.

Jaona 15:4–12

I Jesoa sy ireo Apôstôliny mandeha mankany Getsemane.

Rehefa avy nampianatra ireo zavatra ireo i Jesoa dia nihira Izy sy ireo Apôstôliny. Nandeha nankany amin’ny saha iray nantsoina hoe Getsemane izy ireo.

Matio 26:30.