Lioka 24:13–25
I Jesoa mankahery ireo mpianatra roalahy
Fiarahana teny an-dalana ho any Emaosy
Tamin’ny andro nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nisy mpianatra roa nandeha avy tany Jerosalema nankany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Emaosy. Mpanara-dia an’i Jesoa izy ireo, ary nalahelo. Nifampiresaka momba ny fahafatesan’i Jesoa izy ireo sy ireo zavatra hafa izay nitranga tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa.
Lioka 24:13–14
Rehefa nandeha izy ireo dia nanatona sy niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa, saingy tsy fantatr’izy ireo hoe i Jesoa izany. Nanontaniany ny zavatra noresahan’izy ireo sy ny antony nampalahelo azy ireo.
Lioka 24:15–17
Taitra izy ireo hoe tsy nahafantatra ny zava-nitranga Izy. Nilaza taminy momba an’i Jesoa izy ireo. Nihevitra izy ireo fa Izy no ho Mpamonjy azy ireo, saingy maty Izy.
Lioka 24:18–21
Nilaza ihany koa izy ireo fa nisy vehivavy sasantsasany tao amin’ny fasany, saingy tsy hita ny vatan’i Jesoa. Nilaza tamin’ireo vehivavy ireo ny anjely fa velona i Jesoa.
Lioka 24:21–24
Dia nampianarin’i Jesoa azy ireo avy eo ny zavatra nolazain’ny soratra masina momba ny Mpamonjy. Nilaza Izy fa ireo mpaminany dia nampianatra fa ho faty ny Mpamonjy ary hitsangana indray.
Lioka 24:25–27
Rehefa tonga tany Emaosy izy ireo dia efa alina ny andro. Nanasa an’i Jesoa ireo mpianatra roalahy mba hijanona miaraka amin’izy ireo. Nipetraka niara-nisakafo tamin’izy ireo i Jesoa. Nandray mofo Izy, nitsodrano izany ary nomeny ireo mpianatra. Tamin’izay fotoana izay dia fantatr’izy ireo fa i Jesoa izany. Tampoka teo dia nanjavona Izy.
Lioka 24:29–31
Ireo mpianatra roa ireo dia niresaka momba ny hafanana tsapan’izy ireo tao am-pon’izy ireo rehefa nampianatra azy ireo avy ao amin’ny soratra masina i Jesoa. Niverina haingana tany Jerosalema izy ireo mba hilaza amin’ireo mpianatra hafa fa nahita an’i Jesoa.
Lioka 24:32–35