Asan’ny Apostoly 8:5–24
I Simona sy ny herin’ Andriamanitra
Mianatra momba ny fisoronan’ Andriamanitra
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona nipetraka tany Samaria. Rehefa nandre ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy dia nino. Talanjona ihany koa izy tamin’ireo fahagagana nataon’ireo mpianatr’i Jesoa tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Natao batisa i Simona, ary maro ihany koa ireo lehilahy sy vehivavy hafa tao Samaria izay natao batisa.
Asan’ny Apostoly 8:5–13
Naheno ireo Apôstôly tao Jerosalema fa natao batisa ny olona tao Samaria. Nandeha tany Samaria i Petera sy i Jaona. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny herin’ Andriamanitra, ny fisoronana, dia nametraka ny tanan’izy ireo teo amin’ireo olona izay natao batisa izy ireo ary nanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Asan’ny Apostoly 8:14–17
Rehefa nahita an’i Petera sy i Jaona nanao izany i Simona dia nanolotra vola ho azy ireo izy ary niteny hoe: “Omeo izany fahefana izany koa aho”. Naniry ny hividy ny fisoronan’ Andriamanitra izy mba hahafahany manome ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa.
Asan’ny Apostoly 8:18–19
Nanazava i Petera fa tsy misy afaka mividy ny herin’ Andriamanitra. Fanomezana avy Aminy izany. Nilaza tamin’i Simona i Petera fa nila niova ny fony. Nanasa an’i Simona izy mba hibebaka sy hivavaka amin’ Andriamanitra mba hahazoany famelan-keloka.
Asan’ny Apostoly 8:20–23
Nanenina i Simona. Nangataka an’i Petera izy mba hivavaka ho azy mba hanampiana azy hiova.
Asan’ny Apostoly 8:24