Efesiana 2:19–20; 4:11–14
Ao amin’ny firaisan’ny finoana
Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôly sy mpaminany i Jesoa Kristy
Nitory ny filazantsarany tany amin’ny firenena maro ireo Apôstôlin’i Jesoa. Natao batisa ireo olona nino ny filazantsara. Tian’i Paoly Apôstôly ny olona rehetra hahatsapa ho voaray tsara ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, na dia avy amin’ny toerana samihafa aza izy ireo.
Matio 28:19–20; Efesiana 2:19
Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tany Efesosy i Paoly. Nilaza Izy fa rehefa maty ho antsika i Jesoa dia toy ny nandrodana rindrina izay nampisaraka ireo zanak’ Andriamanitra Izy. Na taiza na taiza niaviany dia tsy vahiny intsony izy ireo. Afaka mandray ny filazantsara izy ireo ary ho isan’ny “ankohonan’ Andriamanitra”, tahaka ny fianakaviana lehibe iray!
Efesiana 2:11–19
Nilaza i Paoly fa ny Fiangonana dia toy ny trano iray mafy fototra. Mila fototra mafy orina ny trano. Ny vato manan-danja indrindra eo amin’ny fototra dia vato fehizoro indrindra. Ireo vato hafa rehetra dia miankina amin’ilay vato fehizoro. I Jesoa Kristy no vato fehizoro indrindra an’ny Fiangonany.
Efesiana 2:20
Ny ambin’ny fototry ny Fiangonana dia ireo mpaminany sy apôstôly, izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Manasa antsika rehetra koa ny Tompo mba hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonany—amin’ny alalan’ny fampianarana, amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, ary amin’ny fomba maro hafa.
Efesiana 2:20; 4:11–12
Ilaina ny Fiangonana, hoy i Paoly, mba hanampiana ny olona tsirairay hahafantatra an’i Jesoa Kristy. Eto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny fototra mafy orina an’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ary ireo apôstôliny. Amin’ny alalan’ny Fiangonany dia afaka mitombo “ao amin’ny firaisan’ny finoana” isika ary ho tonga tahaka an’i Jesoa bebe kokoa.
Efesiana 2:21–22; 4:13