Jaona 1:43–51
Andeha hizaha
Manasa namana iray hanara-dia an’i Jesoa
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Filipo ny iray tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Fantany fa i Jesoa no Mpamonjy. Tian’i Filipo hahafantatra ny momba an’i Jesoa ihany koa i Natanaela namany.
Jaona 1:43–45
Fantatr’i Natanaela fa ny soratra masina dia nilaza fa handefa Mpamonjy Andriamanitra. Nilaza taminy i Filipo fa nahita ny Mpamonjy izy—i Jesoa no anarany, avy any Nazareta.
Jaona 1:45
Tsy nino azy i Natanaela tamin’ny voalohany. Tsy nino izy hoe mety ho olona avy any Nazareta ny Mpamonjy. “Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta?” hoy izy nanontany. Namaly i Filipo hoe: “Andeha hizaha”.
Jaona 1:46
Nandeha niaraka tamin’i Filipo i Natanaela mba hihaona amin’i Jesoa. Rehefa nahita azy ireo i Jesoa dia nilaza Izy fa i Natanaela dia lehilahy tsy misy fitaka. Gaga i Natanaela. Tsy mbola nihaona tamin’i Jesoa mihitsy izy teo aloha. Ahoana no nahafantaran’i Jesoa azy?
Jaona 1:47–48
Nilaza tamin’i Natanaela i Jesoa fa fony tsy mbola niantso azy i Filipo, dia hitany teo ambanin’ny aviavy izy.
Jaona 1:48
Fantatr’i Natanaela izao fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra. Nilaza tamin’i Natanaela i Jesoa fa hahita zavatra lehibe izy—toy ny anjely avy any an-danitra—izany rehetra izany dia noho ny finoany.
Jaona 1:49–51