Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa manasitrana ny mpanompon’ny Kapiteny iray—Maneho finoana lehibe ny mpitarika Romana iray


Lioka 7:1–10

I Jesoa manasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny iray

Maneho finoana lehibe ny mpitarika Romana iray

Kapiteny iray miaraka amin’ireo miaramilany.

Nisy kapiteny iray nipetraka tany Kapernaomy, izay toerana nampianaran’i Jesoa matetika. Mpitarika andiana miaramila lehibe iray izy.

Lioka 7:1–2

Marary mafy ny mpanompon’ilay kapiteny.

Nanana mpanompo iray izay tena niavaka taminy io kapiteny io. Narary ilay mpanompo ary efa ho faty.

Lioka 7:2

Ilay kapiteny mangataka mpitarika Jiosy vitsivitsy mba hitady an’i Jesoa.

Na dia tsy Jiosy aza ilay kapiteny dia nandre ny momba an’i Jesoa izy. Nino izy fa nanana hery hanao fahagagana lehibe i Jesoa. Naniraka mpitarika vitsivitsy avy tao amin’ny Jiosy Izy mba hangataka an’i Jesoa mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.

Lioka 7:3–4

Olona vitsivitsy milaza amin’i Jesoa ny tsy handehanany any an-tranon’ilay kapiteny.

Niresaka momba ilay kapiteny sy ny mpanompony tamin’i Jesoa ireo mpitarika. Nilaza izy ireo fa tsara fanahy tamin’ny Jiosy io kapiteny io. Nanomboka ny diany hankany an-tranon’ilay kapiteny i Jesoa. Saingy talohan’ny nandehanany tany dia nisy sakaizan’ilay kapiteny vitsivitsy nanakana an’i Jesoa. Nilaza Taminy izy ireo mba tsy hiditra ao an-trano.

Lioka 7:4–6

Milaza amin’i Jesoa ny olona fa mahatsapa ho tsy mendrika ilay kapiteny.

Nilaza ireo sakaizany fa nahatsapa ho tsy mendrika ny hidiran’i Jesoa ao ambanin’ny tafon-tranony ilay kapiteny. Nino izy fa afaka manasitrana ny mpanompony i Jesoa na dia eny lavitra eny aza!

Lioka 7:6–8

Milaza i Jesoa fa manana finoana lehibe ilay kapiteny.

Talanjona tamin’ny finoan’ilay kapiteny i Jesoa. Nilaza izy fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany.

Lioka 7:9

Sitrana ny mpanompon’ilay kapiteny.

Rehefa tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireo sakaizany, dia hitany fa sitrana tanteraka ilay mpanompo. Nahasitrana azy i Jesoa, araka ny ninoan’ilay kapiteny ny hahavitany izany.

Lioka 7:10