Jaona 5:1–17
I Jesoa teo amin’ny farihin’i Betesda
Manasitrana lehilahy iray izay narary efa ela
Nisy toerana iray, tao Jerosalema, nantsoina hoe Farihin’i Betesda. Nino ny olona fa io farihy io dia nanana hery manasitrana. Olona maro izay narary, na jamba, na tsy afaka nandeha no tonga teo amin’io farihy io.
Jaona 5:2–3
Nino ny olona fa nisy anjely nidina tany amin’ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano. Koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona aretina najo azy. Maro ireo olona niezaka ny ho voalohany hiditra ao amin’ilay farihy.
Jaona 5:4
Ny iray tamin’ireo olona teo amin’ilay farihy dia lehilahy iray izay tsy afaka nandeha. Efa narary nandritra ny 38 taona izy. Te hiroboka ao amin’ilay farihy izy mba ho sitrana, saingy isaky ny niezaka izy dia nisy olona hafa nisosoka teo alohany.
Jaona 5:5–7
Tao Jerosalema i Jesoa indray andro Sabata. Rehefa niditra ny tanàna Izy dia tonga teo amin’ny Farihin’i Betesda ary nahita ilay lehilahy nandry teo.
Jaona 5:6
Fantatr’i Jesoa fa narary nandritra ny fotoana ela ilay lehilahy ary tsy afaka nandeha. Nanontanian’i Jesoa ilay lehilahy raha te-ho sitrana.
Jaona 5:6
Nilaza tamin’i Jesoa ilay lehilahy fa tsy misy olona handroboka azy ao amin’ilay farihy, ary rehefa hetsehina ny rano, dia misy olon-kafa misosoka eo anoloany.
Jaona 5:7
Hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy: “Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana”. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy! Avy eo dia nitsangana izy ary nitondra ny fandriany. Sambany tao anatin’ny 38 taona no afaka nandeha!
Jaona 5:8–9
Nahita ilay lehilahy mitondra ny fandriany ireo mpitarika Jiosy. Nilaza izy ireo fa tsy manaja ny andro Sabata izy, satria nieritreritra izy ireo fa ny fitondrana ny fandriany dia toy ny fiasana ihany. Nohazavain’ilay lehilahy fa vao sitrana izy, ary ilay nahasitrana azy no nilaza taminy hitondra ny fandriany.
Jaona 5:10–11
Hitan’ireo mpitarika fa i Jesoa no nanasitrana ilay lehilahy sy niteny taminy mba hibata ny fandriany, amin’ny andro Sabata. Tezitra tamin’i Jesoa izy ireo ary naniry ny hamono Azy. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa fa tsy manao afa-tsy ireo zavatra nampianarin’ny Rainy any An-danitra Azy mba hataony Izy.
Jaona 5:15–17