Tantara ao amin’ny soratra masina
“Efa nataonareo tamiko”—Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’i Jesoa


Matio 25:31–46

“Efa nataonareo tamiko”

Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’i Jesoa

I Jesoa miverina eto an-tany.

Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa Kristy fa aorian’ny fiverenany any amin’ny Rainy any An-danitra dia hiverina eto an-tany miaraka amin’ireo anjely masina rehetra Izy. Amin’io andro io, ny olona avy amin’ny firenen-drehetra dia hiangona eo anoloany—ny olona izay nanaraka Azy sy ireo olona izay tsy nanaraka Azy.

Matio 25:31–33

Lehilahy iray manolotra sakafo ho an’ny lehilahy iray hafa.

Hilaza amin’ny olona izay nanaraka Azy i Jesoa fa afaka miditra ao amin’ny fanjakany izy ireo, satria raha noana Izy dia nomen’izy ireo hanina. Raha nangetaheta Izy dia nampisotroin’izy ireo.

Matio 25:34–35.

Zatovovavy iray mitsidika vehivavy iray hafa marary.

Nomen’izy ireo akanjo sy toeram-ponenana Izy rehefa nila izany. Raha narary na tany am-ponja Izy dia nitsidika Azy izy ireo.

Matio 25:36

Mampianatra mikasika ny fomba hifankatiavana sy hitiavana Azy i Jesoa.

Hanontany an’i Jesoa ny olona hoe oviana izy ireo no nanao ireo zavatra tsara ireo ho Azy. Hanazava ny Mpamonjy fa rehefa manao zavatra feno hatsaram-panahy ho an’ny olon-kafa isika dia toy ny manao izany zavatra tsara izany ho Azy.

Matio 25:37–40

Vehivavy iray mandà tsy hanome sakafo ho an’ny olona sahirana.

Hiteny amin’ny olona izay tsy nanaraka Azy i Jesoa fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakany izy ireo. Fony noana sy nangetaheta Izy dia tsy nomen’izy ireo sakafo na rano.

Matio 21:41–42

Olona sahirana mipetraka irery.

Tsy nanampy Azy izy ireo rehefa nila akanjo na toeram-ponenana Izy. Rehefa narary na tany am-ponja Izy dia tsy namangy Azy izy ireo.

Matio 25:43

Nanohy nampianatra momba ny fomba hifankatiavana sy hitiavana Azy i Jesoa.

Hanazava i Jesoa fa rehefa misafidy ny tsy hanampy olona sahirana isika dia misafidy ny tsy hanampy Azy. Rehefa misafidy ny hanampy ny hafa isika dia misafidy ny hanampy an’i Jesoa.

Matio 25:45