Tantara ao amin’ny soratra masina
Ireo fahagagana nandritra ny dian’i Paoly nankany Roma—Mitahy ny mpanompony ny Tompo


Asan’ny Apostoly 21–22; 26–28

Ireo fahagagana nandritra ny dian’i Paoly nankany Roma

Mitahy ny mpanompony ny Tompo

I Paoly nosamborina tao Jerosalema.

Nilaza tamin’i Paoly ny Fanahy mba handeha ho any Jerosalema. Maro ireo olona tao no tsy tia ny zavatra nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy. Nosamborin’izy ireo izy ary nafatotr’izy ireo tamin’ny rojo. Nolazain’i Paoly tamin’ny olon-drehetra ny fotoana nahitany hazavana avy any an-danitra sy ny nandrenesany ny feon’i Jesoa ary ny nanaovana batisa azy.

Asan’ny Apostoly 21:4, 12–13, 27–40; 22:1–16

I Jesoa miseho amin’i Paoly ao am-ponja

Naiditra tany am-ponja i Paoly. Raha mbola tao izy dia niseho i Jesoa ary niteny hoe: “Matokia [ry Paoly].” Nilaza Izy fa hijoro ho vavolombelona momba Azy any Roma i Paoly.

Asan’ny Apostoly 23:10–11

I Paoly mijoro ho vavolombelona momba an’ i Jesoa Kristy

Nentina teo anatrehan’ireo governora sy mpanjaka i Paoly. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba an’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpanapaka mahery ireo izy. Naniry izy ny mba hinoan’ny tsirairay an’i Jesoa.

Asan’ny Apostoly 24:10–27; 25:6–8, 17–19; 26:1–29

I Paoly miteny an’ireo ekipan’ilay sambo mba hiandry mandra-pahatsaran’ny toetr’andro.

Nandefa an’i Paoly hotsarain’ny amperora Kaisara ny mpanjaka. Nandeha sambo niaraka tamin’ireo gadra hafa i Paoly ary nijanona teny an-dalana. Teny am-pijanonana dia fantatr’i Paoly fa ho ririnina tsy ho ela ny andro. Raha hanohy handeha izy ireo dia ho tratran’ny loza lehibe. Nilaza tamin’ireo ekipan’ny sambo izy mba hiandry mandra-pahatsara kokoa ny toetr’andro.

Asan’ny Apostoly 27:1–10

Tratran’ny tafio-drivotra ilay sambo.

Tsy nisy nino an’i Paoly ka dia nanohy niantsambo izy ireo. Nisy tafio-drivotra lehibe tonga, ary natopatopan’ny onja nandritra ny andro maromaro ilay sambo. Tsy afaka nahita masoandro na kintana izy ireo. Nihevitra izy ireo fa ho faty ao anaty tafio-drivotra.

Asan’ny Apostoly 27:11–20

Anjely iray niseho tamin’i Paoly tao anaty sambo.

Indray alina dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsidika an’i Paoly ary nilaza hoe: “Aza matahotra ry Paoly.” Nilaza ilay anjely fa ho tonga any Roma i Paoly, araka ny nampanantenain’ny Tompo. Nilaza izy fa hiaro ny olona rehetra ao anaty sambo Andriamanitra—tsy hisy ho faty amin’izy ireo.

Asan’ny Apostoly 27:23–24

I Paoly miresaka amin’ny olona ao anaty sambo mikasika ilay anjely.

Nolazain’i Paoly tamin’ny olona rehetra ny zavatra nolazain’ilay anjely. “Matokia” hoy i Paoly, “fa mino an’ Andriamanitra aho.”

Asan’ny Apostoly 27:21–25

I Paoly sy ireo hafa, tao amin’ny nosy iray antsoina hoe Melita.

Andro maro taty aoriana dia nidona sy nilentika ilay sambo. Saingy araka ny nampanantenain’ilay anjely dia tsy nisy maty ny tao anaty sambo. Nilomano nankany amin’ny nosy iray nantsoina hoe Melita avokoa izy rehetra.

Asan’ny Apostoly 27:40–44; 28:1

Manampy an’i Paoly sy ireo olon-kafa ny olona tao Melita.

Tsara fanahy tamin’i Paoly sy ireo olon-kafa tao amin’ilay sambo ireo olona nipetraka tany Melita. Namelona afo izy ireo mba hahafahan’ny rehetra mahazo hafanana.

Asan’ny Apostoly 28:2

Voakaikitry ny bibilava i Paoly, saingy tsy naratra izy.

Tampoka teo dia nisy bibilava nivoaka avy tao anaty afo ary nanaikitra ny tanan’i Paoly. Saingy tsy naratra i Paoly. Nahifiny fotsiny ilay bibilava. Nitolagaga ny vahoaka!

Asan’ny Apostoly 28:3–6

I Paoly manome tsodrano ny rain’i Poplio.

Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Poplio namela an’i Paoly hijanona tao an-tranony. Narary mafy ny rain’i Poplio. Nametrahan’i Paoly tanana izy ary nampiasany ny herin’ Andriamanitra mba hanasitranana azy.

Asan’ny Apostoly 28:7–8

Ny fahatongavan’i Paoly tao Roma.

Nandany telo volana tany Melita i Paoly. Nanampy azy hanao fahagagana maro ny Tompo, hanome tsodrano sy hanasitrana ireo olona izay marary. Ary avy eo, araka ny nampanantenain’ny Tompo dia nandeha tany Roma i Paoly.

Asan’ny Apostoly 28:9–16

I Paoly mampianatra momba ny filazantsara tao am-ponja.

Mbola gadra i Paoly fony izy tany Roma. Saingy navelan’ireo mpiambina azy hamangy azy ny olona. Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy tamin’izay olona te hihaino azy i Paoly. Nanoratra taratasy ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny toerana maro ihany koa izy. Ny sasany tamin’ireo taratasy ireo, na ireo epistily, dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Asan’ny Apostoly 28:16–31