Romana 8:18–39
Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy
Fampanantenana ho an’ny fotoana izay maha-sarotra ny fiainana
I Roma dia tanàna lehibe iray tena be olona. Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny olona sasany, saingy ny ankamaroany dia tsy izany. Maro ireo olona tany Roma no nino zavatra izay tena tsy mitovy amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa. Indraindray ireo olona tany Roma dia naneho haratsiam-panahy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana.
Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tany Roma i Paoly Apôstôly. Tiany ho fantatr’izy ireo fa na dia sarotra aza ny fiainana indraindray, dia manana fitahiana lehibe omena azy ireo Andriamanitra. Raha tia an’ Andriamanitra isika dia ataony ho tonga zavatra tsara ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika.
Romana 8:18, 28
Nanoratra i Paoly fa tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Na sarotra toy ny ahoana aza ireo fanamby atrehantsika dia afaka manampy antsika hiatrika izany Izy.
Romana 8:31, 35–39