Tantara ao amin’ny soratra masina
Taratasy ho an’i Timoty—Manoro hevitra ilay tanora namany i Paoly


1 sy 2 Timoty

Taratasy ho an’i Timoty

Manoro hevitra ilay namany tanora i Paoly

I Timoty ampianarin’ny reniny sy ny renibeny.

Zatovolahy manana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy i Timoty. I Eonika reniny sy i Loisa renibeny dia vehivavy be finoana ihany koa. Nampianatra an’i Timoty avy ao amin’ny soratra masina izy ireo, na dia mbola zaza aza izy.

2 Timoty 1:5; 3:15

I Paoly sy Timoty miara-mandehandeha. Mihazona lamba i Paoly mba hiarovana azy ireo amin’ny orana.

Mpinamana tsara i Timoty sy i Paoly. Niasa sy niara-nandeha izy ireo, nanompo ny Tompo sy nizara ny filazantsarany. Tia an’i Timoty tahaka ny zanakalahiny i Paoly.

Filipiana 2:19–22; 1 Timoty 1:2

I Paoly manome toromarika an’i Timoty handeha any Efesosy mba hitarika ny Fiangonana any.

Nangataka an’i Timoty hitarika ny Fiangonana tany Efesosy i Paoly. Nandeha nankany amin’ny tanàna hafa i Paoly. Na dia lavitra aza izy dia nanoratra taratasy ho an’i Timoty mba hanampiana azy.

1 Timoty 1:1–3

I Timoty mandinika ireo olona mandà ny filazantsara.

Taty aoriana, rehefa tao am-ponja tao Roma i Paoly dia nanoratra taratasy iray hafa an’i Timoty izy. Nampitandrina an’i Timoty izy fa ho avy ny fotoan-tsarotra. Ny olona sasany dia hiala amin’ny fahamarinana ary hitia ireo zavatr’izao tontolo izao mihoatra noho Andriamanitra. Hampianatra zavatra izay tsy marina izy ireo.

1 Timoty 3:1–7; 4:3–4

I Timoty mampianatra vondron’Olomasina momba ny filazantsara i Timoty.

Nilaza tamin’i Timoty izy mba tsy hatahotra. Hoy izy: “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana”. Nasain’i Paoly nanohy nanao ireo zavatra nianarany i Timoty. Hitarika azy ho any amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

2 Timoty 1:7–9; 3:14–17

I Paoly tao am-ponja tany Roma.

Fantatr’i Paoly fa ho tapitra tsy ho ela ny fiainany. Saingy tsy natahotra ny ho faty izy. Nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa na dia niatrika olana maro teo amin’ny fiainany aza izy dia nihazona ny finoany ho matanjaka. Natoky izy fa hanome azy ny fiainana mandrakizay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

2 Timoty 4:6–8