Asan’ny Apostoly 12:1–17
Anjely iray nanafaka an’i Petera tao am-ponja
Mamaly vavaka Andriamanitra
Nisy mpanjaka iray antsoina hoe Heroda izay nankahala ireo Kristianina. Novonoiny ho faty i Jakoba Apôstôly. Naidiny am-ponja i Petera avy eo. Nasiany miaramila 16 mba hiambina ilay fonja.
Asan’ny Apostoly 12:1–4
Rehefa nandre izany ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nivavaka hatrany tamin’ny Ray any An-danitra ho an’i Petera izy ireo.
Asan’ny Apostoly 12:5
Resin-tory i Petera indray alina. Nifatotra tamin’ny rojo anankiroa izy teo anelanelana miaramila anankiroa.
Asan’ny Apostoly 12:6
Tampoka teo dia nisy hazavana niposaka tao amin’ilay fonja ka nisy anjely niseho. “Mitsangàna faingana”, hoy ilay anjely, ary nianjera avy teo an-tanan’i Petera ireo rojo. Nasain’ilay lehilahy nanaraka azy i Petera.
Asan’ny Apostoly 12:7–8
Nieritreritra i Petera fa nanofy izy. Nanaraka ilay anjely nandalo ireo mpiambina izy. Nisokatra ho azy ilay vavahady vy nitondra nankany amin’ilay tanàna, ary nandalo izany i Petera sy ilay anjely.
Asan’ny Apostoly 12:9–10
Lasa ilay anjely, ary tonga saina i Petera fa tsy nanofy. Fantany fa nalefan’ny Tompo ilay anjely mba hamonjy azy.
Asan’ny Apostoly 12:10–11
Nandeha tany an-tranona vehivavy iray antsoina hoe Maria i Petera, izay toerana nandehanan’ireo mpikamban’ny Fiangonana maro mba hivavaka. Nandondona tao am-baravarana izy
Asan’ny Apostoly 12:12–13
Nisy zazavavy iray antsoina hoe Roda izay tonga teo am-baravarana. Tena faly izy rehefa nandre ny feon’i Petera! Nihazakazaka nilaza izany tamin’ny hafa izy.
Asan’ny Apostoly 12:13–14
Rehefa avy nilaza tamin’ny olona rehetra i Roda fa tao am-baravarana i Petera dia tsy nino azy izy ireo. Nanohy nandondona i Petera.
Asan’ny Apostoly 12:15–16
Nony farany dia nosokafan’izy ireo ny varavarana ary tsikaritr’izy ireo fa marina izany. Avotra i Petera! Namaly ny vavak’izy ireo ny Tompo. Notantarain’i Petera tamin’ny olona rehetra ny fomba namoahan’ny Tompo azy avy tao am-ponja.
Asan’ny Apostoly 12:16–17