Matio 25:14–30
Ny fanoharana momba ny Talenta
Mampiasa tsara ireo zavatra nomen’ Andriamanitra antsika
Mba hampianarana momba ny fanjakan’ Andriamanitra dia nilaza fanoharana iray i Jesoa. Tao amin’ilay fanoharana dia nisy lehilahy iray niomana ny hanao dia ho any amin’ny firenena lavitra iray. Talohan’ny nandehanany dia nihaona tamin’ny mpanompony telo izy ary nangataka azy ireo mba hikarakara ny volany rehefa lasa izy.
Matio 25:14
Nomen’ilay lehilahy vola be antsoina hoe talenta ny tsirairay avy tamin’ireo mpanompony. Nomeny talenta dimy ny mpanompo iray. Nomeny talenta roa ny mpanompo iray hafa. Ary nomeny talenta iray ilay mpanompo farany. Dia niainga hanao ny diany izy avy eo.
Matio 25:15
Niasa mafy ilay mpanompo izay nandray talenta dimy. Nampiasainy ireo talenta mba hahazoana dimy fanampiny.
Matio 25:16.
Niasa mafy ilay mpanompo izay nandray talenta roa. Nampiasainy ireo talenta mba hahazoana roa fanampiny.
Matio 25:17.
Ilay mpanompo izay nandray talenta iray dia nangady lavaka ary nandevina ilay talenta tao anaty tany.
Matio 25:18
Fotoana fohy taorian’izay dia niverina avy tany amin’ny diany ilay lehilahy. Te hahafantatra ny zavatra nataon’ireo mpanompo tamin’ireo talenta izay nomeny azy ireo izy.
Matio 25:19
Ilay mpanompo izay nandray talenta dimy sy ilay mpanompo izay nandray talenta roa dia nilaza tamin’ny tompony ny fomba nahazoan’izy ireo avo roa heny fony izy tsy teo. Faly ilay tompony. Nilaza izy fa noho izy ireo tena mahatoky dia hanankinany bebe kokoa izy ireo ho karakaraina. Nasainy nifaly izy ireo.
Matio 25:20–23
Ilay mpanompo izay nandray talenta iray dia nilaza tamin’ny tompony fa natahotra izy ka dia nananfina ilay talenta tao anaty tany izy. Naveriny tamin’ny tompony ilay talenta.
Matio 25:24–25
Tsy faly tamin’io mpanompo io ilay tompony. Nilaza izy fa tokony ho nampiasa izay nomena azy ilay mpanompo mba hahazoana talenta bebe kokoa. Nomen’ilay tompony an’ilay mpanompo izay nanana talenta folo ilay talenta. Tian’ilay tompony ireo mpanompony hampiasa ireo talenta nomeny azy ireo mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakany.
Matio 25:26–29