Tantara ao amin’ny soratra masina
I Zakaiosy ilay Mpamory hetra—Nihanika hazo mba hahita an’i Jesoa


Lioka 19:1–10

I Zakaiosy ilay Mpamory hetra

Mihanika hazo mba hahita an’i Jesoa

Manangona hetra i Zakaiosy.

Nitsidika ny tanànan’i Jeriko i Jesoa. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Zakaiosy nipetraka tao. Mpamory hetra mpanan-karena i Zakaiosy. Tsy tia mpamory hetra ny ankamaroan’ny olona. Nihevitra izy ireo fa maka vola be loatra amin’ny vahoaka ireo mpamory hetra.

Lioka 19:1–2

I Zakaiosy miezaka mijery an’i Jesoa ao anaty vahoaka be.

Naheno i Zakaiosy fa tao an-tanàna i Jesoa. Te hianatra kokoa ny momba Azy. Niezaka nandeha nijery an’i Jesoa izy, saingy tsy afaka nanao izany izy satria maro ireo olona nanodidina Azy, ary fohy loatra i Zakaiosy ka tsy nahita avy teo amin’izy ireo. Ahoana no ahafahany mahita an’i Jesoa?

Lioka 19:3–4

I Zakaiosy mihanika hazo mba ahafahany mahita an’i Jesoa.

Nihazakazaka I Zakaiosy ary nihanika hazo mba ahafahany mahita an’i Jesoa. Rehefa nandalo i Jesoa dia nitraka Izy ary nahita an’i Zakaiosy teo ambony hazo. Niantso ny anarany i Jesoa ary niteny hoe: “Midina.” Naniry ny hamangy azy tao an-tranony i Jesoa. Nidina haingana teo amin’ilay hazo i Zakaiosy. Faly tokoa izy nandray an’i Jesoa tao an-tranony.

Lioka 19:4–6

I Jesoa mamangy an’i Zakaiosy tao an-tranony.

Nanontany tena ireo vahoaka tao Jeriko hoe nahoana i Jesoa no handeha ho any an-tranon’i Zakaiosy. Nieritreritra izy ireo fa mpanota i Zakaiosy satria mpamory hetra izy.

Lioka 19:7

I Jesoa miresaka amin’i Zakaiosy sy ny fianakaviany.

Hoy i Zakaiosy tamin’i Jesoa hoe: “Ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo.” Nilaza izy fa raha naka vola be loatra tamin’ny olona iray izy dia hanonitra izany miohatra. Hoy i Jesoa tamin’i Zakaiosy hoe: “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena.” Nilaza i Jesoa fa tonga mba hitady sy hamonjy ireo olona very Izy.

Lioka 19:6, 8–10