Tantara ao amin’ny soratra masina
Miantehitra amin’i Jesoa Kristy ho an’ny famonjena—Voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavany


Romana 3:21–28; 5:1–11; 6:3–6

Miantehitra amin’i Jesoa Kristy ho an’ny famonjena

Voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavany

Olona atao batisa

Olona avy amin’ny toerana maro samihafa no niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Antsoina hoe Olomasina ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Romana 1:7

Lehilahy roa miresaka momba ny lalàn’i Mosesy.

Ny sasany tamin’ireo Olomasina dia Jiosy izay mbola nanaraka ny lalàn’i Mosesy. Tsy toa izany kosa ny hafa. Tsy nanaiky izy ireo mikasika ny amin’ny tokony hanarahany ny lalàn’i Mosesy na tsia.

Romana 2:14–15, 23–29

I Paoly manoratra taratasy

Fantatr’i Paoly fa nanana ireo fanontaniana ireo ny Olomasina. Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tany Roma izy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy misy afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny fiezahana hanaraka ny lalan’ny Mosesy fotsiny. Manota avokoa isika rehetra, hoy izy nanazava. Mba ho voavonjy dia mila manana finoana an’i Jesoa Kristy sy manaraka Azy ny olon-drehetra.

Romana 3:20–23

Ireo lehilahy roa mamaky ny taratasin’i Paoly.

Nampianatra i Paoly fa nandefa an’i Jesoa Kristy Andriamanitra mba hitondra ny fahotantsika eo Aminy. Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika avokoa isika rehetra.

Romana 3:24–31

Ireo lehilahy roa miara-mandray fanasan’ny Tompo.

Nampianatra i Paoly fa manome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny famelan-keloka sy hery hanaovana zavatra tsara i Jesoa Kristy. Izany fanomezana feno fitiavana izany dia antsoina hoe ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, ary mameno fanantenana sy fifaliana ho antsika izany. Nilaza i Paoly fa rehefa atao batisa isika, tahaka an’i Jesoa, dia toy ny fanombohana fiainana vaovao amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa antsika.

Romana 5:1–11; 6:3–6