Matio 10; Lioka 5:1–11; 6:12–16
I Jesoa mifidy ireo Apôstôliny
Fanasana mba ho “mpanarato olona”
Indray andro dia tonga teo amin’ny Ranomasin’i Galilia ny olona mba hihaino an’i Jesoa mampianatra. Nampianatra azy ireo avy teo an-tsambokely i Jesoa raha izy ireo kosa nihaino teny amin’ny morona. An’ny lehilahy mpanjono iray antsoina hoe Simona ilay sambokely.
Lioka 5:1–3
Rehefa avy nampianatra i Jesoa dia nangataka an’i Simona Izy hitondra ilay sambokely ho any amin’ny faritra lalina amin’ny ranomasina. Nasainy nalatsak’i Simona tao anaty rano ny haratony mba hahazoana hazandrano. Nilaza i Simona fa efa nanjono nandritra ny alina izy ary tsy nahazo na inona nainona. Kanefa noho ny tenin’i Jesoa dia hanandrana indray izy.
Lioka 5:4–5
Nahazo hazandrano be dia be i Simona ka efa nisy triatra ny haratony! Niantso ireo namany tamin’ny sambokely hafa izy mba hanampy azy. Vetivety dia feno hazandrano ireo sambo ka efa nanomboka nilentika izy ireo. Talanjona i Petera sy ireo namany!
Lioka 5:6–7, 9
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa i Simona. Hoy izy hoe: “Tompoko, [mialà amiko,] fa olo-meloka aho”. Fantany fa nirahin’ Andriamanitra i Jesoa. Dia nilaza taminy i Jesoa mba tsy hatahotra.
Lioka 5:8
Nanasa an’i Simona sy i Andrea rahalahiny, ary ireo namany, i Jakoba sy i Jaona mba hanaraka Azy i Jesoa. Ho solon’ny fanaratoana trondro dia hanampy ny olona hanatona an’i Jesoa izy ireo.
Marka 1:16–17; Lioka 5:10–11
Nandao ny sambokely fanjonoana i Simona sy i Jakoba ary i Jaona ary lasa Apôstôlin’i Jesoa. Taty aoriana dia nomen’i Jesoa ny anarana hoe Petera i Simona. Ny Apôstôly dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy. Niantso lehilahy 12 i Jesoa mba ho Apôstôliny. Nivavaka Izy mba hahafantarany izay tokony hantsoina. Nomeny ny Apôstôliny ny fahefan’ny fisoronana mba hitarihana ny Fiangonany.
Matio 10; Lioka 6:12–16; 9:1–2
Satria nanana ny herin’ Andriamanitra ireo Apôstôly dia afaka manasitrana ireo olona marary ihany koa izy ireo, sy manangana ny olona amin’ny maty, ary manao fahagagana hafa.
Matio 10:8
Nalefan’i Jesoa tany amin’ny tanàna maro ireo Apôstôliny mba hampianatra ny olona ny filazantsarany. Nilaza izy fa ny Fanahy Masina no hanampy azy ireo hahafantatra izay tokony holazaina. Nilaza i Jesoa fa tsy tia ny zavatra nampianarin’izy ireo ny olona sasany, saingy rehefa nanompo tamim-pahatokiana izy ireo dia hiaraka amin’izy ireo Andriamanitra.
Matio 10:5–7, 19–22